Edito

Lany andro mamono afo


  • Alarobia 15 Septambra 2021

Vao roa taona sy tapany amin’ny fe-potoana iasana dimy taona, dia tsy misy izay zava-dratsy tsy miseho. Tena tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona tokoa ny ankamaroany.

 Takona ireo ampahan-javatra tsara, fa ny ratsy no tena misongadina. Tsy misy fampandrosoana tena vanona, fa toa lany andro mamono afo eo anatrehan’ireny toe-javatra ratsy ireny hatrany. Mipongapongatra, ary vokatra mihitsy ny ampamoaka, mivoaka ny tsiambaratelon’ny olona ambony samihafa,… Rehefa tena halalinina, ny avy ao anaty Fanjakana ihany no mifamingana sy mifamotika satria tsy hahalala firy ny any anaty vilan’ny mpitondra izany ny mpanohitra amin’ny ankampobeny, fa ny mpiara-misaika ao ihany no “sokona mifankahita tay”, araka ny fomba fiteny. “Ny mpanohatra no soketaina, nefa izy ihany no manontsana ny ao anatiny amin’ny alalan’ny Kaonty fako”, hoy ny mpanao gazety iray omaly momba ny karazana ampamoaka mamofady mahakasika mpitondra ambony maro omaly. Izany ve sisa ny kolontsaina anaty fitondrana? Resaka toy izany ve sisa no manamarika ny raharaham-pirenena? Lany andro amin’ny resaka tsy mahasoa. Adino tanteraka ny tena adidy sy andraikitra andrasan’ny vahoaka, fa tena mivaona tanteraka any amin’ny tsy misy dikany. Tsy mety voalamina, fa dia manao randran-tarihiny. Miharihary hatrany ilay hoe: ny mpanakarontana tsy mba mahay mandamina izany. Ny tena zava-doza, fady mandrakizay amin’izy ireo angamba izany hiaiky fahadisoana sy ny lesoka izany. Mitady izay hamaharana sy hanilihana mandrakariva, tsy mba hanana hivina fanetren-tena,… Asa hanao ahoana re ny ho fiafarany? Inona no hitranga afaka roa taona mahery? Ankehitriny mantsy mbola manaiky ny ambanilanitra, efa nahazo lesona tamin’ny voka-dratsin’ny korontana sy krizy novolena teto 12 taona lasa ka dia aleony aloha miafy. Hararaotina io satria tsy hisy hanongana eo, fa aleon’ny olona miandry fifidianana. Ny krizy aorian’izay fifidianana izay no ahiana, raha tsy mazava dieny izao ny fitsipi-dalao satria mety efa misy miomana amin’ny “triplon” ihany koa ao!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT