Edito

Lany andro mamono afo


  • Zoma 03 Martsa 2017

Tsy mba hita soritra eto amin’ny firenentsika izany paikadim-pampandrosoana voafaritra sy maty paika izany fa dia miandry afo hirehitra ny mpitondra e ! Vokatry ny tsy fahaiza-mitantantana ny firenena dia sesilany ny olana, ka lany andro miandry izay afo hirehitra sisa vao mikoropaka.


 Tahotry ny mety hisian’ny hetsi-pitakiana sisa ny fandraisan’andraikitra fa raha izay tena finiavana hamaha tanteraka ny olana dia mbola lavitry ny kitay ny afo. Iaraha-mahita, ohatra, ny resaka fitsaram-bahahoaka izay efa zary raharaham-pirenena mihitsy, saingy niraviravy tanana ny ankamaroan’ireo sampandraharaham-panjakana voakasika hatramin’izay. Efa manomboka miakatr’afo ny rehetra, raha tsy hilaza afa tsy ny raharaha Befandriana vao mody mikoropaka sy may volon-tratra avokoa, ka zary lasa mifanakiana sy mifanilika andraikitra ny samy tompon’andraikitra voakasika mivantana amin’ity raharaha ity. Izay foana no fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny, ka tsy atao mahagaga raha tsy misy fampandrosoana vanona eto amin’ity firenena ity. Tsy mba misy ny vina hametrahana fiovana ao anaty fe-potoana voafaritra toy ny tamin’ny programa Madagasikara am-perinasa (MAP) fa zary ankamantatra hatrany ny ampitson’ny Malagasy ary sarintsarim-pampandrosoana no atao. Izao vao miteny fa tanjona ny hampiakatra ny harin-karena ho 7%, izay efa tratra tany amin’ny 10 taona lasa, saingy nopotehina. Miandry olana hitranga sy manomana vahaolana petatoko no tena adidin’ny mpitondra eto ankehitriny fa tsy mba hijery lavitra ny fomba hanalana ny gejan’ny fahantrana. Mbola mifikitra mafy sy mitady lalana ambanin’ny tany anefa fa mamy ny seza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT