Lany andro amin’ny seho ivelany

Tafapetraka ny governemanta,


  • Talata 16 Janoary 2024

vita ny sehoseho ivelany tamin’ny fianianana,… Hanao ahoana indray izany izao ny tohiny ?

Ny zava-nitranga aloha dia naneho ny tsy fahavononana, fa toa mbola nanamafy ny kitsapatsapa, ary tsy tena nanana olona efa vonona ny hiara-hitantana ny firenena niara-namolavola ny vina sy programa, fa mbola nanangona « CV ». Raikitra fifamindram-pahefana ho an’ireo izay niova minisitra ka hanao ahoana ihany koa ny mbola fametrahana ilay rantsa-mangaika ? Sao lany amin’ny fanovana olona ny 100 andro sa efa milamina ny amin’izany ? Mbola dingana manaraka hafa indray mantsy ny hametrahana Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika izany hoe : ho eo ambany elatra sy ambany fifehezan’ny Filoham-pirenena mivantana. Ny sasany amin’io rafitra io izay toa lasa mifanaloka amin’ny Minisitera ka toa maneho fa sahady fa tsy mahavita azy na tsy atokisana loatra ilay minisitra ka aleo asiana rafitra mifanindran-dàlana aminy. Endriky ny fampivangongoana fahefana any amin’ilay Filoha na ekena aza fa misy olona hotendrena amin’ireo toerana ireo, saingy izy izany no ho lohan’ireo. Betsaka ny zavatra miandry, betsaka ny olana mila vahana,… Vonona amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiatrehana sy famahana ireny sa sanatria mbola any amin’ny adihevitra hafa mihitsy ? Tsy maniry ratsy ho an’ny firenena, tsy maniry ratsy ho an’ny mpitondra,… fa raha ny fomba fiasa aloha, dia toa mizotra makany amin’ny kiserasera sy fitadiavana zava-baovao hanariana dia ny vahoaka eo anatrehan’ny tsy fahombiazana. Ampiasaina daholo izao karazana voambolana samihafa ity, tahaka ny velirano izay nangingina aloha, dia io indray fa nipoitra ny « fianianana »,… Lalaovina ny resaka fisokafana amin’ny tanora, tanisaina ny traikefa,… Tsy any no olana fa ny hoe : sao ho lany andro amin’ny endrika ivelany sy ny serasera fa ny tena olana mahazo ny firenena adino na hodiana adala ? Nasaina nianiana fa hanao antsakany sy andavany ny asa ireo minisitra fa sao dia tokony ho tahaka ny any amin’ny baolina kitra hoe : ny mpanazatra mihitsy no tokony hiendaka rehefa tsy mahomby ny ekipa, fa tsy mitady izay hanilihana lava izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT