Edito

Lanin’ny mamba indray ny volabe ?


  • Talata 27 Desambra 2016

Toy ny rano mikoriana ny fampanantenana mivoaka ny vavan’ny mpitondra eto, fa ny fanatanterahana dia mbola lavitr’ezaka. Raha misy aza izay mba asa kely atao dia fizahozahoana sy fanaovana propagandy no lasa aloha,

fa raha izay finiavana hamaha ny olan’ny Malagasy dia mbola nofinofy aloha hatreto. Noresahin’ny mpitondra nialoha ny fety fa tsy hisy ny fahatapahan-jiro mba hanomezana fahafaham-po ny Malagasy mandritra ny fety. Nambara mihitsy fa vola be no natokana ho amin’izany, satria am-polony miliara mihitsy, mba hahafahan’ny rehetra mifety am-pilaminana. Tsy izay anefa no niseho fa saika manerana ny Nosy no ahitana jiro sy rano tapaka. Nankaiza ilay volabe noresahina fa hamahana ny olana na dia fotoana vitsy ihany aza ? Firifiry ny mpitondra eto amin’ny firenena no mandeha miliba etsy sy eroa amin’izao vaninandro fety izao ? Misy ny any ampitan-dranomasina, maro ny lasa any amorontsiraka mahavita manofa hotely an-tapitrisany. Iza ihany koa no mahalala raha efa nentin’izy mianakavy niliba sy nanao fiainana ny vola tokony hamahana ny olam-bahoaka matoa ny teo ihany no eo. Dia samy niesona indray isika mianakavy fa ny olana efa misonanina sy lavitry ny olana e !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT