Edito

Lalim-paka


  • Alakamisy 01 Martsa 2012

Efa nampoizin’ny maro ihany fa tsy hanatrika ilay diniky ny samy malagasy eny Ivandry ireo antoko sy vondrona politika manohana an’i Andry Rajoelina.

 Roa andro mialoha io mantsy dia efa nifampitaona teny Ambohitsorohitra teny, nivorivory mba hikaroka vahaolana hamahana ny krizy sy hampahomby, ny sori-dalana, hono, ny UDR-C sy ny TGV ary ireo antoko vitsivitsy mitovy tadin-dokanga amin’izy ireo. Mbola manamafy hatrany ny tsy fivahan’ny krizy sy ny olana eto izany. Rehefa Rakoto no mikarakara fihaonana dia tsy mipoitra Rabe. Raha Rabe no manatanteraka dinika dia tsy hita ny an-kilany. Manamarina ihany koa ny maha zava-dehibe ny tsy maintsy hisian’ny mpanelanelana amin’ny fihaonana izay atao izany. Mbola mitoetra any am-pon’ny tsirairay any angamba ny fankahalana ary mbola mibahan-toerana ao an-tsaina ny tsy fifampatokisana matoa mipoitra eto foana ny tranga tahaka izao. Hita fa tena ho sarotra ny fampihavanana eto ary zavatra tsy azo atao maimaika.

Misy kosa anefa ny fanombohana tsy maintsy atao ary dia manaraka any afara ireo dingana maro samihafa tsy maintsy handalovana. Koa raha izao ny fandehany, tsy maintsy hiandry ny fanambarana sy ny toromarika avy amin’ny SADC ihany isika eto vao hiroso sy hahavita zavatra, fa raha ny samy malagasy aloha dia mbola mifampiandriandry sy mifanao an-kiafina foana e ! Hita anefa fa matotra ny foto-kevitr’ity hetsika iray ity, satria tena mijery sy mandinika ifotony ny tena olana eto, fa tsy mionona fotsiny amin’ny zava-nitranga tamin’ny 2009. Maro be tokoa mantsy ny zavatra mila ahitsy sy ovaina tanteraka eto, izay vao afaka mieritreritra izany hoe fampandrosoana izany isika, sady bingo no mandringa ny rafitra misy eto, ary fomba fiasa maro no nolovana avy amin’ny mpanjanatany, koa tsy mahagaga raha misy foana ny mpanararaotra mitsetsitra ambongadiny ny harena, ary misy ihany koa ireo miasa mafy kanefa mbola misy ihany koa ny hiharan’ny fanandevozana amin’ny fomba moderna.

Lalim-paka ny fototr’olana eto, koa antenaina fa nandinika tsara ny zava-misy ary efa nikaroka ny vahaolana ireo manampahaizana nikarakara ny diniky ny samy malagasy, ary afaka hizara izany amin’ny mpizaika. Heverina koa anefa fa mbola hisy ny hevitra maro be hipoitra amin’ny asam-baomiera anio, ka mba tena dinika hahitam-bokatsoa marina no hatao, fa tsy dinidinika handany andro fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT