Ny sabotsy 13 septambra ho avy izao amin’ny 3 ora tolakandro mandritra ny « Salon de l’Industrie de Madagascar » tanterahana eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hatao ny fisarihana farany amin’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny gazety Tia Tanindrazana.
. Enim-bolana no naharetan’ny lalao, ary mpamaky gazety anahetsiny maro, eny efa an-tapitrisany manerana ny nosy no nandray anjara mavitrika tamin’izany. Efa maro no nahazo loka nandritra ireo fisarihana 4 efa vita, tokana ihany kosa anefa no handrombaka ny loka goavana dia ilay fiara Cherry QQ, ka aorian’ny fisarihana amin’io sabotsy io no hahafantarana ny anaran’ilay tsara vintana. Tsy vitan’ny lalao nahazoana loka na fanomezana fotsiny no natao teo amin’ity gazety ity fa nezahana mba hampitombo ny fahalalan’ny tsirairay ny famaliana ireo fanontaniana. Sady milalao no mampitombo fahalalana, indrindra fa ny fahafantarana ny tantaram-pirenena sy ireo fotoan-dehibe nanamarika an’i Madagasikara. 5 taona aty aorian’ny niforonany dia miatrika hatrany ny raharaham-pirenena ary tsy hitsahatra ny hilaza ny zava-misy rehetra tsy maintsy fantatry ny olom-pirenena ny gazety Tia Tanindrazana, sahy mijoro ho an’i Gasikara !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.