Edito

Lala-masaka


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Reraka foana miteny, manoratra, mamakafaka ny toe-draharaha misy eto amin’ity firenena ity. Toy ny rano natondraka an-damosin’ny gana hatrany izany na dia efa hita miharihary aza ny vokatry ny tsy fihainoana ny feo hafa

rehetra ivelan’ny ao an-dapa ao. Fahantrana lalina no hita sy hiarahantsika miaina hatramin’izao. Fahagagana na sanjila, hoy ny filazan’ny tanora azy izay, raha mbola misy tokantrano malagasy mba mandroso fari-piainana ao anatin’izao raharaham-pirenena izao. Anaty fahasahiranana ny 99%n’ny malagasy, hoy ny antoko politika iray izay. Mionona anaty tsy fahanjariana koa isika, hoy ireo mpandinika ny zava-misy. Efa lala-masaka eto ankehitriny ny tsy fihetseham-bolo-maso manoloana zava-mamoha henatra na “scandale” maha voarohirohy mpitondra na tena ataon’ny sasany amin’izy ireo mihitsy. Omaly fotsiny izao dia sady nahenoana hoe depiote, olona mitonona ho mpanolontsaina minisitra, mampiasa ny anaran’ny fiadidiana ny repoblika mihitsy no voalaza indray fa nahitana izany “scandale” izany. May ny tanana. Tsy misy ataontsika mianakavy afa-tsy ny mimenomenona ao anaty tambazotran-tserasera. Miha mafy ny vidim-piainana, mihena ny fahefa-mividy, hatramin’ny karama raisina isam-bolana aza ambanana ho ampidinina manoloana izany rehetra kanefa ilay fiarahamonona dia tsy mahita atao afa-tsy ny miara-mionona ao anatin’izany lala-masaka hiaraha-mahita fa tsy hitondra vahaolana izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT