Herinandro sisa dia higadona ilay andron’ny 19 desambra, kihon-dalana lehibe ho an’ny tantaram-pirenena.
Fifidianana fihodinana faharoa, hitsaran’ny vahoaka Malagasy an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Samy nanao ny nataony teto ireo, fa ny isam-batan’olona no mandalanja ny nanorina sy nanangana ary ny namotika sy nandrava ary nandoro izay nijoro. Fifidianana madio sy milamina no andrandrain’ny rehetra ary tokony hanaiky izay voka-pifidianana eo ny rehetra satria tsy maintsy hisy ny handresy sy ny ho resy. Efa ireny niaraha-naheno ireny ny valin-tenin’izy ireo raha nanontaniana hoe: vonona hanaiky ve ? I Marc Ravalomanana dia naneho mazava fa hanaiky, fa ny an-kilany kosa niezaka namadi-dresaka tsy namaly mazava, ka mampiahiahy hatrany. Ny fanambarana tany aloha angamba no mamaly an’izay dia ny hoe: “isika efa zatra ady, tsy maintsy mandresy na inon-kidona na inon-kihatra”. Toa efa mazava ny tanjona tiana hahatongavana fa hanao bodongerona sy hisora-tena ho mpandresy, hanitsakitsaka ny tena safidin’ny Malagasy efa tonga saina sy tsy manaiky horebirebena amin’ny fitaka sy fampanantenana poakaty. Mila tonga saina ny vahoaka fa tsy olona hihetraketraka sy hanao bodongerona lava satria mambam-pahefana sy harena no afaka hanarina ity firenena ity. Milaza fa tsy handray karama rehefa filoha, kanefa dia ireny nabaribarin’ny iraisam-pirenena ireny fa nizara vola. Tsy aleo ve amina sehatra hafa no manangom-bola bebe kokoa amin’ny fomba haingana ? Ny laingalainga mandeha ihany toy ny fanakonana ny marina mikasika ny fanampiana tamin’ny fanamboarana lapan’ny tanànan’Antananariovo, izay sahiny ny mandainga imasom-bahoaka nilaza fa tsy nahazo vola tamin’ny filoha teo aloha kanefa ny kabary aza efa hitam-poko hitam-pirenena avy eo novaina ny soratra e ! Ny zavatra misy porofo mazava aza hovainy, mainka fa ny tsy hita maso. Fanjakana hiorina eo ambony lainga sy famahanan-dalitra vahoaka izany no hisy eto raha sanatria lany eo ? Rehefa tsy mahomby ireny lainga sy fitaka ireny dia hanangan-tsandry sy handrangaranga hery fa mafy be ? Rehefa ny hevitra no mety feno fitaka sy ratsy orina ka tsy maharesy lahatra vahoaka dia lojika ny mety handrangarangana sandry, saingy ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.