Edito

Lainga Masina


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Mampitsanga-mitoetra ny ankamaroan’ireo lalao mandritra ny Mondial 2014 any Brezila. Maro ireo mpankafy baolina kitra no diso kajy, tsy vitsy ny niakatra tosi-dra sy narary fo. Atao ahoana, hoy ny olon-tsotra, fa boribory ny baolina ka tsy fantatra dieny aty am-piandohana ny fihodikodiny....

Fa eto Madagasikara dia mbola mampitaintaina foana ny ho fizotry ny raharaham-pirenena taorian’ny fanamarihana ny faha-54 taona niverenan’ny fahaleovantena, indrindra rehefa mahatsapa ny olona fa malemy ilay fitondram-panjakana. Toa tsy mahafehy olona izany ilay filoha sy praiminisitra fa haingon-dapa fotsiny. Izao dia tsy maintsy hiakatra indray ny vidin-tsolika, ka asa izay ho fihetsiky ny an-daniny sy ny an-kilany. Ny mpitatitra ve hampiakatra ny saran-dalana ? Ho zakan’ny mpanjifa ve izany ? Ny fanjakana ve manana paikady hiatrehana io fiakaran’ny solika hitarika fiakaran’ny vidin’entana io ? Ireo mpamatsy vola mahazatra anefa toy ny tahirimbola iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena dia tsy mankasitraka ny fanaovana « subvention ». Ka inona izany no hatao ? Inona no mety hitranga atsy ho atsy ? Amin’izao fotoana aloha mety mbola milamindamina ny resaka satria hiditra amin’ny fialantsasatra ny mpianatra, fa rehefa tonga ny fotoana hikarakarana indray ny fidirana dia eo amin’izay no manomboka henjana ny fandaniam-bola ka mety ho maro amin’izay ireo himenomenona. Miditra amin’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity isika. Heverina fa efa mba vita ny andrana sy ny tsapa fa mila mampiseho izay tena zava-bitany amin’izay ny mpitondra, ary mandamina io fomba fiasa mikorontana be io. Tsy mitsahatra ny miteny any ivelany Atoa filoha fa hoe milamina i Madagasikara, mahavita azy ny Malagasy, averina ny fanjakana tan-dalàna, atao ny fampihavanana. Ny eto an-toerana anefa korontana, ahiahy, tebiteby… Fa inona ihany ary no tena tiana hatao eto ? Sa izany ilay ataon’ny be vazivazy hoe : lainga masina e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT