Edito

Lainga marivo tototra


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Ity fanjakana HVM ity no tompondakan’ny laza ratsy sy ny tsy fanjariana rehetra hatramin’ny nahazoantsika ny fahaleovantena. Kolikoly avo lenta, afera maloto tapitr’ohatra, famarotana tanindrazana…

no manamarika ny fitondran-dRajaonarimampianina, ka ny tandapa manodidina ny filoha no ohatra velona amin’izany.  Miseho indray ny resaka volabe toa norobaina tamin’ny fomba mihaja tamin’ny resaka tsenam-panjakana, saingy miezaka mamono afo amin’ny lainga marivo tototra. Tsy maharesy lahatra ny olom-pirenena intsony izany satria tsy vao zavatra iray na roa monja ny fahotana mahafaty sy ny afera maizina fa efa fomba fiasa sy fomba fiaina ao anaty fanjakana. Ny fitondrana foibe no efa tena maintimolaly amin’ny famadihana tanindrazana sy vahoaka, ka na inona mbola fanadiovan-tena sy fakana fom-bahoaka ezahina hatao andro aman’alina dia tsy hanova na inona na inona intsony.  Indrisy anefa fa tsy mba mahay manaja tena fa ny hitady lalana ambanin’ny tany hifikirana amin’ny fahefana no tena masaka an-tsaina. Sady tsy manaja ny tenany no tsy manaja ny vahoaka, ary tsy mba manana fisainana kely akory hoe : mety ho sioka tokana monja dia ho levona sy hikoa ny fanjakana HVM. Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hofaranana ny efa natomboka, saingy ny endri-piafarany no mbola mba hivoaka am-boninahitra ve ? Toa lavitry ny kitay ny afo satria izay nafafy ihany no hojinjaina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT