Edito

Krizy vaovao


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Hatreto aloha dia tsy mbola misy vahaolana mazava na lalan-kombana voafaritra tsara amin’ny fandresena ny fahantrana eto amintsika. Mijanona eo amin’ny sehatra politika ny resa-be etsy sy eroa.

  Na ny tolona sendikaly aza dia hita fa tafiditry ny resaka politika, ny voka-pifidianana moa dia hiteraka krizy vaovao satria be loatra ny fimenomenomana etsy sy eroa noho ny kitoatoa sy hosoka. Na ny hoavin’ny mpianatra malagasy aza dia voatohintohina noho ny krizy eny amin’ny oniversite. Ny zanaky ny manam-bola ve moa tsy hianatra eny amin’ireo oniversite tsy miankina na alefa any ampita, fa ny zana-bahoaka kosa dia tsy maintsy miditra eny amin’ireo oniversitem-panjakana ! Olana tsy mety voavaha anefa no eny, taona fotsy e, tsy handray ireo mpianatra afaka bacc e…Toa mihodinkodina am-pitoerana, manao tazan-davitra fotsiny ny mpitondra manoloana ireo karazan’olona ireo, tsy misy ny vahaolana matotra, resaka no betsaka. Efa ho roa taona ihany ity ny fitondran’ny Hery vaovao, fa tsy hita izay zava-baovao nanatsara ny fiainan’ny malagasy. Krizy vaovao indray aza no iainana ankehitriny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT