Edito

Krizy vaovao


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Fanina ny olon-tsotra manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana fa toa mihazakazaka be ilay izy. Nitosaka be ny fanehoan-kevitra, samy tsy maty am-bavany izay miteny.

 


 Politika avo lenta ity, hoy ny resaky ny olona teny an-dalambe omaly tontolo rehefa samy avy namakivaky gazety sy nihaino ireo fandaharana tamin’ny onjam-peo teto an-drenivohitra. Efa re ihany ny faran’ny herinandro teo, mialoha ny pentekosta fa misy ireo solombavambahoaka mikononkonona ny fanonganana ny filoham-pirenena. Noheverina fa efa nilamina ny resaka, kinanjo nivadika zavatra hafa. Tsy nanaiky lembenana koa ingahy filoha ka nampatsiahy fa azony ravana io antenimieram-pirenena. Tsy izany anefa ny laharam-pahamehana amin’izao fotoana, hoy izy. Na ahoana na ahoana ambara dia mandalo krizina andrim-panjakana i Madagasikara amin’izao fotoana, ary tena misy ny olana eo amin’ny samy mpitondra. Ho raharaha ny antsika raha tsy mahay mifanaraka izy ireo a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT