Edito

Krizy vaovao ?


  • Talata 31 Martsa 2015

Mampanahy be ihany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana satria arakaraky ny nirosoana lalindalina kokoa amin’ilay fampihavanam-pirenena no toa mipoitra ny karazan’olana, miha mafana indray ny adihevitra eo amin’ny tontolo politika ; tsapa fa toa misy miezaka manakorontana mihitsy ny daomy, araka ny fomba fiteny.

 

 

Nanamafy ny tsy handraisany anjara intsony amin’ny fampihavanana tarihan’ny FFKM ny profesora Zafy Albert, mihazohazo tsy fantatra mazava hoe handroso sa hihemotra ny ankolafy Ratsiraka sy Rajoelina, takiana indray ny hitantanan’ny FFM manontolo ny raharaham-pampihavanana, efa hita ihany anefa ny fetran’ny zava-bitan’ity rafitra iray ity.Mampatsiahy ny vanim-potoan’ny tetezamita nandritra ny fandrafetana ny tondrozotra izao zava-mitranga izao, ka tahaka ny hoe isaky ny misy dingana goavana iray tokony ho vita dia indro fa misy olana mipoitra tampoka ka mampikatso ny asa .Sao lahy ka efa miala any indray ny drafi-panakorontanana vaovao hampiditra ny firenena amin’ny krizy ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT