Edito

Krizy tsy miato


  • Zoma 19 Martsa 2021

Tsy mbola nisy teto amin’ity firenena ity angamba izany filoham-pirenena teo aloha sy ankehitriny,

 

 

 3 mirahalahy be izao, mifandimby maneho hevitra ao anatin’ny herinandro izany. Ny an’ny filoha ankehitriny moa mbola handrasana eo izay ho ambarany rahampitso sabotsy fa ny an’ireo roa teo aloha aloha dia ireny efa niaraha-naheno ireny fa “loza” no votoatiny. Na dia heverin’ny olona sasany ho samihafa aza ny voambara dia tsikaritra ho nifanohy sy nifameno ihany ary samy manaitra ny sain’ireo mpanapa-kevitra fa misy loza mitatao ankehitriny eto amin’ny firenena raha tsy mandray ny andraikiny izy ireny. Mampirodana fanjakana ny tsy fahaiza-mitantana, hoy ny iray. Aza lalaovina ny haim-bahoaka, hoy kosa ny iray. Antenaina fa hamaly am-pahendrena izay hevitra mahasoa voarainy tamin’ny tenin’ireo raiamandreny miisa 2 eto amin’ny firenena ireo ny filoham-pirenena ankehitriny rahampitso sabotsy. Krizy tsy miato no niainan’ny firenena nanomboka ny taona 2009 no nankaty ary tsy nisy afa-nanatanteraka fampandrosoana aloha hatreto izay nandova ny vokatry ny tetezamita tamin’izany fa toy ny voatery nitantana krizy. Manampy trotraka izao ny krizy ara-pahasalamana izay miteraka krizy sosialy, toekarena, politika, kolontsaina, eny, fa na hatramin’ny fanatanjahantena aza. Krizy daholo ny manodidina ny tontolo. Ny firenen-kafa nahay nanararaotra nitady fampandrosoana teo anelanelan’izay 12 taona izay ka maro no efa nihoatra lavitra antsika fa isika kosa mbola variana ao anatin’ny adilahy politika ary tsy misy manam-piniavana hijery izay marimaritra hatramin’izao. Enga anie mba tsy handiso fanantenana intsony ny kabary rahampitso sy rahafak’ampitso.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT