Edito

Krizy tsy manam-petra ?


  • Talata 20 Oktobra 2015

Io ary fa efa manomboka indray ilay resaka grevy fitakiana karama tsy voaloa. Ireo mpianatra mpitsabo izany no namaky lay ny fitokonana indray amin’izao telovolana farany amin’ny taona izao.

 Hafampana anio ny eny Tsimbazaza, araka ny re, ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanovana mpikambana ao anatin’ny birao maharitra mihitsy ny fahatezeran’ireo depiote noho ny tsy fahafenoan’ny karama nomena azy ireo sy ny tsy fahampian’ny antontan-taratasin-tsolika ihany koa. Mbola tantara mitohy ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka, na dia efa nijanona aza ny fitokonana. Any amin’ny famoahana ny voka-panadinana no mety hikatso raha ny resaka mandeha re… Mbola ho raharaha ihany koa ny momba ireo mpampianatra FRAM satria azo antoka fa tsy maintsy hisy indray ny fahataran’ny fandoavana ny karama noho ny olana ara-bola goavana misy eto amin’ny firenena. Ireo ben’ny tanàna moa dia efa maro no diso fanantenana satria tsy misy mangirana ny momba ilay tohana ara-bola avy amin’ny fitondrana foibe, nampirisihana hahay hitady vola ny kaominina fa raha izay fanampiana dia tsy azo ianteherana. Hanahirankirana ihany ireo zava-drehetra notanisaina teo ireo raha mitambatambatra rehefa tsy voavaha ! Ka inona moa fa tsy dia mandalo krizy indray izany i Gasikara ary tsy misy aloha ny vahaolana hatreto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT