Edito

Krizy nanova toe-tsaina


  • Zoma 14 Desambra 2018

Maro ny krizy politika nandalovan`ny firenena tao anatin`ny 58 taona nahazoantsika ny fahaleovantena ka izany no isan`ny tena nanapotika toetsain`ny Malagasy.

 

 

Ny krizy rehefa tonga amin`ny fandraisana fahefana tsy manaraka ny lalàm-panorenana dia tsy maintsy tonga amin`ny fanoherana fanjakana. Rehefa misy fanoherana fanajakana satria ny fitondrana no tompon`ny lalàna dia tsy maintsy miditra amin`ny tsy fanarahan-dalàna na “desobeissance civile” na “greve generale” na koa “acte de rebellion” indrindra rehefa tafiditra ny Tafika. Hita taratra izany tamin`ny taona 1972, nandritra ny fikomian`ny miaramila tamin’ny GMP tamin`ny taona 1975 izay niafara tamin`ny famonoana ny kolonely Ratsimandrava. Ny taona 1991, nandritra ny herintaona dia nifamono ny samy Malagasy, ireo krizy tamin`ny taona 2002, 2008- 2009. Isaky ny misy krizy politika goavana eto dia tafiditra ny vahoaka sy ny tafika hany ka miova foana ny toe-tsaina. Amin`izao fotoana izao, misy zavatra maika tsy maintsy arenina satria ny fahantrana dia miainga hatramin ny fahantran`ny fanahy. Miditra amin`ny tsy fifanajàna sy  tsy fahaizana miara mionona ka tonga amin`ny tsy fanarahan-dalàna. Matoa mipetraka ny lalàna dia ahafahana mampitovy tantana ny fiarahamonina. Amin`izao kihon-dalana lehibe ho an`ny firenena izao, dia tokony hanao velirano ireo kandidà roa tonta mba hanaiky ny voka-pifidianana ankitsim-po mba hisorohana ny fiainam-pirenena. Raha ny mpitondra tsy mahay mitantana dia simba ho azy ny  toe-tsaina. Mianga amin`ny vahoaka kosa anefa ny rehetra mba ahafahana ho tonga amin`ny tanjona iriany satria ny vahoaka no mahatsapa fa manana adidy ao anatin’ny fiarahamonina ka mila miova toe-tsaina lalina ny Malagasy.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT