Manankarena ara-boajanahary, harena ankibon’ny tany sy an-dranomasina volamena, solika, safira diamondra, merkiora i Madagasikara, mahantra anefa ny 80%-n’ny Malagasy. Ny 12% ihany no manana herinaratra tonga ao an-tranony. Tsizarizary ny lalana, tsy mety tafiarin-doha ny firenena kanefa ONG 600 be izao no efa miasa eto.
Very tombontsoa
Tamin’ny 2002 raha tafakatra teo amin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana no nihevitra ny rehetra, indrindra fa ireo manampahaizana sy mpahay toekarena fa tafavoaka amin’izay i Madagasikara ary handroso. Nanana fandaharanasa azo sokajiana fa matotra dia ny MAP i Marc Ravalomanana ary efa amina miliara dolara ny famatsiam-bola azony. Akaiky kokoa ny Amerikanina sy ireo tany miteny Anglisy ity filoha teo aloha ity. I Etazonia no firenen-dehibe voalohany nankato azy tamin’ny 4 jolay 2002. Voalohany tafiditra tamin’ny fandaharanasa MCC i Madagasikara tamin’ny 2004, ary maro be ny mpianatra malagasy no nahazo vatsim-pianarana ho any Etazonia. Tsy nahafaly velively ny Frantsay izay nanomboka very tombontsoa teto Madagasikara izany. Fantatra fa ny filoha Nicolas Sarkozy manokana mihitsy no nanao tsindry mafy dia mafy izay vao afaka nitrandraka ny solika ao Bemolanga ny Total. Nankarary fo ny Frantsay koa ny tsy nahafahany nitantana ny Jirama fa ny Alemana no tafiditra tao. Tahaka izany koa ny tao amin’ny Air Madagascar. Voailika ary tsy afaka nitantana ny seranatsambo tao Toamasina ny Groupe Bolloré izay an’ilay miliardera Frantsay namana akaikin’i Nicolas Sarkozy. Tsy zakan’ny sain’ny Frantsay ihany koa ny nampidiran-dRavalomanana ny teny Anglisy ho anisan’ny teny ofisialy ampiasaina eto Madagasikara tamin’ny 2006, sy ny nanovana ny rafi-pampianarana tamin’ny ambaratonga fototra, izay natao mifanakaiky kokoa amin’ny misy any Etazonia sy amin’ireo tany miteny Anglisy. Ary tena mbola alahelo goavan’ny Frantsay amin’i Marc Ravalomanana ny momba ny fitrandrahana fasimainty any Tolagnaro, ny Nikela sy kobalta any Moramanga izay samy lasan’ny orinasa goavana Amerikanina sy Kanadianina. Tena very tombontsoa i Frantsa, tsy mety aminy i Marc Ravalomanana koa dia nikaroka hevitra haminganana sy handrodanana azy izy. Nanamafy izany ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nilaza ampahibemaso fa nanampy an’i Andry Rajoelina ny tenany sy ny Fanjakana Frantsay mba handrodana an-dRavalomanana tamin’ny 2008-2009.
Ady tany, solika, gaz
Fa araka ny fanadihadiana nivoaka tamin’ny tranonkala www.lesafriques.com dia mitana anjara toerana lehibe, nahatonga ny krizy eto Madagasikara ny fiezahana ny hifehy ny lakandranon’i Mozambika, izay ambara fa toerana tena stratejika sy saropady tokoa. Io mantsy no lalana tsy maintsy hadalovan’ireo sambo goavana mpitatitra solika avy any amin’ireo firenena Arabo any Moyen Orient raha ho any Eoropa sy Amerika izy ireo. Iny eo ihany fa fantatra ihany koa izao araka ny fanadihadiana nataon’ny US Geological Survey fa misy tahirin-tsolika sy Gaz goavana dia goavana ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ao izay faritra tsy maintsy hifampizaran’i Madagasikara sy Mozambika, amin’ny ampahany betsaka, fa misy sombintsobiny ihany ho an’ny Nosy Seychelles sy i Tanzania.
Araka io fanadihadiana io, dia mahatratra 17 miliara barila ny solika ao amin’ny lakandranon’i Mozambika tafiditra anatin’ny sisintanin’i Madagasikara, ary izany hoe an’i Madagasikara izany. Mbola goavambe tahaka izany koa ny tahirina gaz amin’io faritra io. Tsy honohono io fa tena mitombina satria vao tamin’ny 2011 no nahita ny tahirina Gaz ambany ranomasina goavana indrindra manerantany tao amin’ny lakandranon’i Mozambika manakaiky ny faritanin’i Cabo Delgado. Fa anisan’ny mampitsiriritra ny Frantsay ihany koa ny harena be (solika sy gaz) misy amin’ireo nosy kely anatin’ny lakandranon’i Mozambika dia i Juan De Nova, Europa ary Bassas Da India. Raha ny tokony ho izy dia anisan’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ireo Nosy kely ireo, saingy nobodoin’ny Frantsay. Tamin’ny 1979 no nanambara ny Firenena Mikambana fa tokony hatao ny fifampiraharahana satria niseho ny ady tany teo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa. Ity farany moa dia nanizingizina fa tamin’izany fotoana dia efa nanaiky ny filoha Philibert Tsiranana fa omena an’i Lafrantsa ireo Nosy kely ireo. Telo taona nisesy (2006.2007.2008) i Marc Ravalomanana no nanambara nandritra ny lahateniny tany amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany New York fa tsy tokony hosarahana na bodoina firenen-kafa ny nosy Eparses fa efa an’i Madagasikara. Nirodana moa izy ny 2009 koa dia mba nilamin-tsaina indray aloha ny Frantsay.
Hamingana indray ?
Tsy anisan’ireo Malagasy novolavolain’ny Frantsay i Marc Ravalomanana, no sady tsy nanaiky mihitsy ny tsindry bokotr’i Parisy. Sarotra ny hamolaka azy hiaro ny tombontsoan’i Frantsa eto ka io no nahatonga ny Frantsay nandray anjara mavitrika tamin’ny fanonganana azy sy manao izay hanakanana ny mety ho fiverenany indray eo amin’ny fitondrana. Tsy takona afenina intsony koa izao fa efa notambatambazan’i Lafrantsa ry zareo Mozambikanina dia ireny efa niaraha-nahita ireny ny fomba fihetsiky ry Joaquim Chissano sy Leonardo Simao, izay matetika mihitsy no manao tatitra vilana eo anoloan’ny SADC momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Fanonganam-panjakana fa tsy tolom-bahoaka izany no nisy teto tamin’ny 2009 ary tao ambadik’izany ny Frantsay. Tsy maintsy nailika i Marc Ravalomanana satria sahy nijoro niaro ny tombontsoan’i Madagasikara ary tena sahy nifanandrina tamin’ny mpanjanatany. Ho avy ity ny fifidianana. Manohana kandida ny ankolafy Ravalomanana ary efa nilaza fa mitohy ny tolona, tsy avela ho lasa eo am-pelatanan’ny mpandroba na mpanao varoboba ny harem-pirenena ny fitondrana ka asa indray izay fingampingana ketrehan’ny sasany any ambadibadika any.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.