Toy ny nihemotra 3 taona raha ny fahitana ny raharaham-pirenena tato ho ato izay.
Lasa hifaninanana indray ny famoahana fanambarana sy fametrahana ultimatum, ary ireo sehatra tena saropady no manao izany dia ny fitsarana sy ny polisim-pirenena, izay toa lasa mpifahavalo mihitsy taorian'ilay tranga mampalahelo nahafatesana mpitsara tany Toliara. Tsy nahavaha ny olana ny fihaonan'ny SMM tamin'ny filohan'ny tetezamita sy ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny polisim-pirenena. Ireto farany rahateo moa namoaka fanambarana miendrika fampitandremana ary mitady ny hiala andraikitra mihitsy, raha ny fahitan'ny fianakaviamben'ny mpitsara azy. Mifanesisesy ny fivoriana ao ambonimbony ao saingy tsy voavaha ny olana. Nisy ihany koa ny fitavotavozana tamin'ny fandraisana andraikitra. Fantatra izao fa hay efa tonga tao Toliara ny marainan'io zoma 9 desambra io ny minisitry ny polisim-pirenena saingy mbola ireny ihany ny zava-nitranga. Nanafika fonja ny andiana polisy, naka an-keriny mpandraharahan'ny fonja niaraka tamin'ny basiny, avy eo nirohotra teny amin'ny lapan'ny fitsarana ka dia naka an-keriny an'itompokolahy Rehavana indray, nikasi-tanana azy, ary dia izy nodimandry iny.
Nohamaivanin'ny fitondrana tetezamita ity resaka ity ary noheverina fa hilamina vetivety, kinanjo toa vao miha mihenjan-droa ny tady ary tena ho sarotra ny fampihavanana. Samy henjana sy hentitra ny fanambaran'ny andaniny sy ny ankilany. Ny polisy milaza fa vonona ny hiaro hatramin'ny farany ny voninahitr'izy ireo sy ny asany. Ny mpitsara koa milaza fa tsy hilefitra mihitsy satria tsy misy azo hanamarinana ny famonoana olona izany mihitsy. Samy tsy hisy handefitra izany, na dia efa fantatra aza ny nanafika faritra mena niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana sy naka an-keriny mpitsara teo am-panatanterahana ny asany ary nidaroka sy namono nahafaty azy.
Hita taratra amin'ity tranga ity fa marefo ny fahefan'ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra satria sady tsy mahafantatra tsara ny zava-mitranga izy ireo, no tsy mahafehy ny olona ambany fahefany, no tsy sahy manapa-kevitra haingana fa milalao afo. Fa any amin'iza marina izany ny fahefana e ? Raha samy higrevy ny polisy sy ny mpitsara dia ahoana ny mety hitranga eto ? Sa ny jeneraly Ravalomanana sy ny ekipany indray no hisahana ny fitandroana ny fandriampahalemana manerana an'i Madagasikara, hiambina ny sisintany, hanenjika mpangalatra no sady hiambina ireo faritra mena rehetra sy ny toerana saropady ? Izay jiolahy tratra dia ampidirina am-ponja fotsiny aloha dia ho hita eo ny atao rehefa miverina miasa ny fitsarana. Raha tsy mahita paikady handaminana ity krizin'ny polisy sy ny mpitsara ity ao anatin'ny fotoana faran'izay haingana ny mpitondra dia azo antoka fa tena krizy mafy fa tsy krismasy no hiainana eto, ary dia asa fotsiny ny amin'ny faran'ny taona. Mety ho faran'ny fitondrana tetezamita ihany koa angamba a ! Iza no mahalala. Mibaribary loatra fa marefo ny fahefana eo am-pelatanan'Atoa Andry Rajoelina. Fantatry ny rehetra izany ka izay no mahatonga ny sasany sahy handrangaranga basy sy hamono olona avy hatrany. Ary ny tena ho loza amin'ity raharaha ity dia mety hivadika ho resaka politika ilay izy, hamorona aza atao ka mainka mahita tranga tahaka izao. Antenaina anefa fa olon-kendry ireo mpitantana sy mpitarika ao amin'ny polisim-pirenena sy ny fikambanamben'ny mpitsara ka tsy handray fepetra noho ny alahelo, fa mba hisaina tsara izay hampilamina sy hampitony ny fiarahamonina amin'izao ankatoky ny fety izao. Ampy ny krizy misy fa tsy mila krizy hafa fanampiny intsony !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.