Edito

Krizy…mafy


  • Alarobia 24 Desambra 2014

Tsy fitandremana kely fotsiny monja dia mety hivadika korontana goavana ny resaka delestazy any Toamasina, ary efa nambara teto fa raha tsy mahay mamaha haingana io olana io ny fitondram-panjakana dia tena ho sahirana ary mety hiozongozona hatramin’ny seza mihitsy aza

. Re mantsy fa efa misy ny mpanao politika mitady hijapy ity raharaha delestazy ao Toamasina ity. Ilay fitondram-panjakana moa efa malaza mpanao kobaka am-bava sy mampiesona ka vao miha ny olona mora voatariky ny hetsika fanoherana, ny olona rahateo efa tena mahatsapa ny hamafin’ny krizy any amin’ny fiainany sy ny aty vilaniny ka lasa mora mitroatra. Vao miha mampitombo ny fahaterezan’ny vahoaka tsotra amin’ny fahafantarana fa hay ve ka mbola mitohy ihany ny trafikana boaderozy e ! Olo-maventy no manao an’io fa tsy olon-tsotra mba manam-bola, tsy mahavita an’io raha tsy olona manana fahefana na misy mpiaro ao ambonimbony ao na fianakaviana akaikin’ny mpitondra mihitsy. Mba tsy rariny kosa fa ny vahoaka miaina anaty krizy mafy, ny sasany mitady ho lasa miliardera tampotampoka eo ao anatin’ny herinandro amin’ny fandripahana ny harem-pirenena. Tsy feno herintaona akory dia efa maloto eo imasoan’ny Malagasy ilay fitondran’ny repoblika faha-4, be resaka fotsiny fa tsy mahavaha olana, ary ny loza dia vao miha adala kokoa noho ny mitondra tetezamita ny manampahefana sasany ankehitriny ka tsy menatra mihitsy manao afera maizina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT