Mitohy ny fifampidinihana politika etsy sy eroa. Na izany aza samy tsy manaiky lembenana ny andaniny sy ny ankilany, ary misy hatrany ny adivarotra. Ao ny mangataka ny hahazo ny toeran’ny praiministra, ao ny manizingizina fa tsy mahazo miverina eto izatsy na izaroa, ao koa no milaza ny handefitra raha toa ka tazomina amin’ny toerany ny praiministra amin’izao fotoana sy ministra maro. Dia tena mbola adivarotra manahirana ilay izy, rehefa tena natao ny fandinihana. Fa mbola haroso hojeren’ny mpanelanelana avy any ivelany, hono, izay tonga eto indray hatry ny omaly.
Ny ady an-trano any anatin’ny antoko maro samihafa any, etsy ankilan’izay miha mahazo vahana ihany, tratran’io avokoa rehefa mety antoko, tafiditra ato anatin’izao krizy izao, ny Tim, ny AREMA, ny TGV, ny fikambanana lehibe tahaka ny Escopol, ny HPM, ny UDR dia misy ady madinidinika avokoa any anatiny any. Samy te ho lohany mantsy ireo mpitarika ka manao izao tetika rehetra izao. Mifanindran-dalana amin’izany rehetra izany dia mitombo ny asan-jiolahy mitam-piadiana eto an-drenivohitra, ary lasibatra ireo tranon’olona manna-katao sy eritreretina fa mitahiry vola be. Hita ho toa tsy tamana intsony eny amin’ny fanafihana taxi brousse amin’ny lalam-pirenena intsony ireo jiolahy mitam-piadiana fa dia tapa-kevitra ny hiakatra an-tanàna. Ary na mpitandro ny filaminana aza dia sahin’izy ireo. Mandeha ny resaka amin’izao fotoana fa hasesin’ireto jiolahy mpanafika isa-kalina ireto ny trano fonenan’ireo lehibena orinasa eto an-drenivohitra, ary tsy an-kifidy io fa na Malagasy, na vahiny dia ho lasibatra avokoa.
Ny mpitandro ny filaminana moa dia efa tsy mandry andro tsy mandry alina fa dia manara-maso ny toerana voasokajy ho faritra mena, hita ho tsy ampy ihany anefa izay rehetra izany. Ary ny tena manahiran-tsaina ny olon-tsotra dia toa hoe misy miaramila sy polisy mihitsy mamatsy basy ny jiolahy amin’izao fotoana, ary sahy maty koa ireo mpanao asa ratsy satria toa hoe efa manana mpiaro matanjaka. Mihorohoro noho izany rehetra izany ny vahoaka, satria tena tsy milamina ny tany, ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro anefa toa miha miakatra, ny vary mora tsy hita ny tena marina aminy, fa toa mbola lafo foana no hita eny an-tsena. Mila vahaolana haingana sy maharitra ny eto Madagasikara satria efa tena trotraky ny krizy, ary reraky ny adin-tsaina. Asa hoe rahoviana no ho tonga saina amin’izany fahoriana izany ireo mpanapaka sy manampahefana, izay toa botrabotra sy miha mahazo aina isan’andro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.