Edito

Krizy hikipiana


  • Zoma 02 Septambra 2022

Ny fitondram-panjakana teo nilaza fa tsy misy krizy eto. Asa hoe mbola hitazona izany nambarany izany ve izy manoloana ity raharaha Ikongo izay nitifiran’ny zandary zana-bahoaka miisa 20 mahery ity.

Vao tsy ela koa no nisy ny raharaha Ankazobe izay nahafaty malagasy maherin’ny 30 isa. Manao ny maha diavolana ny sainy daholo ireo tomponandraikitra heverina ho tokony raiamandreny rehetra. Ny governora voalaza ho naneho tsy fahamendrehana tamin’ireo tovovavy vahiny iraky ny mpiara-miombon’antoka. Ny biraon’ny sasany nahaverezana volamena 30 kilao mahery fa hoe nivadika vy kanefa dia mbola samy miriaria eny ihany ny tenany sy ny nandimby azy. Aiza moa no tsy ho heno indray vao omaly ny omaly ny hoe hatramina talen-kabinetram-paritra no mamoaka ny mpamiliny amin’ny basy any anaty biraona mpitandro filaminana? Dia ho gaga koa ve isika raha mba migarigany manao fitsaram-bahoaka hatramin’ireo heverina hatramin’izay ho valalabemandry? Ny raiamandreny miantso fifanatonana sy fifampiresahana lany rora. Efa mampanahy ilay endrika fifandonan’ny samy malagasy ankehitriny, hoy ny mpanao politika iray izay omaly. Dia mbola ho krizy hikipiana tahaka ny rehetra teo aloha indray izany ity.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT