Edito

Krizy ao anaty krizy


  • Alakamisy 06 Aogositra 2015

Mitombo isan’andro ny fanakianana momba ny nikarakarana ny fifidianana sy ny nanatanterahana azy ny zoma 31 jolay lasa teo. Maro ireo kandida milaza fa nanesorana ny vato azony ka izay no antony naharesy azy.

 


 Milaza fa manana porofo ny amin’izany izy ireo ary hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Nilaza hatramin’izay ny Cenit fa efa ela no vonona ara-pitaovana, maro be ny fanofanana natao, ny vola lazaina fa tsy olana ary tsy tokony hiadian-kevitra be. Io iaraha-mahita io anefa fa maro ny olana amin’ny lisi-pifidianana sy ny fizotry ny fifidianana, singanina manokana ny fanisam-bato sy ny fanaovana ireo firaiketana an-tsoratra na PV. Efa tamin’ny 2010 no nanomboka nikarakara fifidianana ny Cenit. 5 taona aty aoriana ve dia tsy ampy traikefa ihany ? Sa tena tsy fahaizana mihitsy ilay izy ? Sa ve sanatria fanahy iniana akorontana ny fifidianana na efa misy kajy mialoha natao mba hampandaniana ny kandida izatsy na izaroa ? Ka tsy hivaha mihitsy ny krizy raha mbola tahaka izao foana ny zava-misy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT