Edito

Krizy


  • Alatsinainy 23 Aprily 2012

Minisitra 10 amin'ireo 30 ao anatin'ny governemanta no nandray anjara tamin’ilay fambolen-kazo nokarakarain'ny fiadidiana ny tetezamita ka notanterahana teny Andranovelona - Ankazobe.

 Nihena io isa io rehefa nihazo an'i Mananjary ny filohan'ny tetezamita. Tsy hita teny Andranovelona kosa ny praiminisitra, ary tsikaritra fa nanakiana azy an-kolaka ny kabarin'i Andry Rajoelina. Nifanindran-dalana tamin'io dia nanatrika ny hetsiky ny skoto teto an-drenivohitra i Omer Beriziky. Anaty krizy tanteraka ny fiaraha-mitantana ary toa samy manao izay hitany fa mety ireo manampahefana fa tsy misy intsony ny fiaraha-miasa, efa tantara sisa izany hoe marimaritra iraisana. Miseho masoandro izao ny tsy fifankahazoana eo amin’ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Ny voalohany moa milaza fa nofidian'ny vahoaka hitarika ny tolona sy hitondra ny fanovana, ary dia izy no manampahefana tompon'ny teny farany eto. Ilay faharoa kosa dia manizingizina fa izy no eken'ny ankolafy politika rehetra sy ny sehatra iraisam-pirenena mba hitantana ny governemanta ka ny tondrozotra irery no mibaiko azy.

Asa izay ho fisehon'ny filankevitry ny minisitra amin'ity herinandro ity, fa raha izao fahitana azy izao aloha dia vaky ny ady eo amin'Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo e ! Tsy honohonon'ny resaka an-jorony intsony io fa zava-misy, marina ary mitombina. Miha sarotra, araka izany, ny famahana ny krizy satria ireo tompon'andraikitra roa, ambony indrindra eto amin'ny firenena no tsy mifanaraka. Tsy mahagaga raha hizara roa na telo ihany koa ny governemanta dia ho lasa lamaody ao ny resaka ankolafy, dia tsy hisy intsony izany fiaraha-miasa izany. Raha mbola mipoitra moa ny resaka hoe : ankolafy izatsy na izaroa, dia tafiditra anaty maizina tanteraka isika, ka tsy hita intsony izay lalan-kizorana. Miha mitombina ihany, raha ny fandinihana azy, ny tsy maintsy hanatanterahana fihaonambe, iray vaovao hahitana ireo filohan'ankolafy politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny foloalindahy, ka mpanelanelana amin'izany ireo ray aman-dreny am-panahy avy ao amin'ny FFKM, dia averina resahana tsara daholo ny fototry ny olana, atao ny fifanazavana, izay vao karohana miaraka ny vahaolana. Fa raha mbola vahaolana misy kajikajy politika haminganana ny mpifanandrina amin'ny tena ihany no ampiharina eto, dia tsy hilamina izany ny krizy na dia hiposaka avy any andrefana aza ny masoandro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT