Edito

Korontanina daholo


  • Talata 31 Jolay 2018

Arakaraka ny hitsikerana ny hafa no toa maka fanahy ny sasany hanondrana indray. Efa hiaraha-mahalala fa tsy milamina ny tany. Misavorovoro ny tany.


Tsy mety tony ny tena ary ankehitriny izany dia ho korontanina ihany koa ny teny. Korontanina daholo ny zava-drehetra na ny lafiny politika na ny toekarena na ny sosialy ary ankehitriny moa izany rehefa natao an-kilabao hatramin’izay dia hasavoritaka tanteraka koa ny tontolon’ny kolontsaina. Mbola mitoetra amin’ny foto-kevitra nijoroan’ny mpanorina azy, Charles De Gaulle, ihany hatramin’izao ve ny ankademiam-pirenentsika sa dia inona loatra no nahatonga ireo fanapahan-kevitra toa kitaitaitra nitranga tamin’ny faran’ny herinandro ireny ? Aiza ilay mba rehareha amin’ny lafiny maha izy azy sy fiizina na ilay antsoin’ireo nolazaina hatramin’izay fa mpibaiko hoe “personalité et identité” ? Tena hanandratra ny tenin-dreny tokoa ve no tanjona sa sanatrian’izany aza ny hampihetry azy. Arivo, foloarivo, zatoarivo, arivoarivo ariary sy izay mety ho tohiny any dia toa mandindona avy hatrany fa afaka 10 taona na mihoatra kely dia hiova ihany amin’ny fanagasiana andiany faharoa koa hoe “disimilina”, “samilina”, “milina” raha izao fahitana azy izao. Ny fivoarana ve natao hanamorana fiainana sy hampirindra kokoa ny fiarahamonina sa hiteraka fikorontanana sy fahasahiranana ? Ekena fa miaina sy mivoatra ny teny saingy mahamenatr’olona kosa angamba raha ny teny izay isan’ny kolontsaina fototra maha firenena ny firenena iray no hisy hilaza fa “mivoatra gaigy”.  

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT