Edito

Korontana ahoana e ?


  • Talata 29 Novambra 2011

Miverina indray ilay resabe milaza fa hoe hisy korontana sy savorovoro eto Madagasikara raha miverina eto Atoa Marc Ravalomanana.

 Efa fambara ny amin'ny tsy maintsy hitrangan'izany, hono, ireny hita teny Ivato tamin'ny alahady lasa teo ireny. Marihana aloha fa olona avy ao amin'ny AV7 no tonga teny Ivato afak'omaly nitondra sorabaventy sy nanao fihetsika tsy mankasitraka ny fahatongavan'Atoa isany Tojo Ravalomanana sy Guy Rivo Randrianarisoa. Tsy azo atao hoe mahasolotena ny vahoaka malagasy anefa izany AV7 izany, izay mampalahelo tokoa fa ataon'ny sasany fitaovana politika. Nanaitra kely ihany mantsy ny nahita azy ireo nitondra fiara manokana (sprinter 2) kanefa hatramin'izay dia nitaraina ho sahirana sy tsy manam-bola ireto mpikambana ao amin'ny AV7 ireto. Rehefa tonga kosa ireo olona akaiky an'i Marc Ravalomanana dia mahita vola tampoka hanofana fiara lehibe ho eny Ivato izy ireo.

Hatramin'izay dia milamina ny hetsika teny amin'ny Magro, tsy nisy na iray aza mpivarotra voaroba teny Behoririka, Soarano ary Antanimena tao anatin'ny roa taona. Ny fidiran'ny Emmo-Reg tao amin'ny Magro sy ny fanenjehana ireo mpanao fihetsiketsehana tao no niteraka savorovoro hatramin'izay fa tsy ny Zanak'i Dada mihitsy. Mazava ny resaka eto fa avy aty ivelany izany no mpanakorontana fa tsy ny olon'ny Ankolafy 3. Tsy nisy savorovoro teny Ivato raha tsy tonga nihantsy ady teny ny AV7. Ary mibaribary be izao ny tetika fa hitondra olona handrangitra ny mpomba an-dRavalomanana amin'ny fotoana hitsenana azy ireo vondron'olona milaza fa manohana an'i Andry Rajoelina, dia hisy indray ny savorovoro.

Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa tao anatin'ny hetsika notarihan'i Andry Rajoelina no nisian'ny fandrobana sy fanapotehana fananan'olona teto ary tsy afa-miala amin'izany ny mpitarika io hetsika io izay nandetika tao an-tsain'ny olona fa devoly nanangon-karena sy nanararaotra ny vahoaka malagasy Atoa Ravalomanana. Tsy tokony ho nahagaga, araka 'izany, raha lasibatry ny fandrobana ny orinasa Tiko naoriny. Taorian'iny 26 janoary 2009 iny dia niova ny fomba fijery sy fomba fisainan'ny olona ka lasa tsy matahotra mandroba sy mangalatra intsony. Nitombo ny mankato ny gaboraraka, mahazo aina ny mpanao afera maizina, mirongatra izay tsy izy ny kolikoly...

Tsy fanovana velively fa fanakorontanana no nentin'i Andry Rajoelina sy ny ekipany, hoy ny raim-pianakaviana iray, ary dia izao iaraha-mahita izao fa miha mahantra isan'andro ny firenena. Tsy maintsy ho avy eto Madagasikara tsy ho ela ingahy Ravalomanana ! Miandry azy ireo mpanohana azy rehetra, tsy hoe ny hita isan'andro eo amin'ny Magro ihany fa ny any ambadika rehetra any. Olon'ny filaminana, araka ny nambaran'izy ireo, ny Zanak'i Dada ary vonona ny hiaro hatramin'ny farany ny foto-kevitra ijoroan'izy ireo. Mahafantatra tsara koa anefa ry zareo ireto fa tsy maintsy hisy ny mpanakorontana sy mpanatsatso, saingy matoky ny fahendren'ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Mazava ny resaka eto fa tena misy ireo andian'olona, ahitana mpitondra ambony, mpanao politika, mpandraharaha, manamboninahitra ao amin'ny foloalindahy mitady ny fomba rehetra hanakanana ny fiverenan'ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, satria mankahala fotsiny azy amin'ny maha olona azy, ary mahafantatra tsara fa mbola matanjaka ara-politika izy ary mety hanova zavatra maro ny fahatongavany eto ka maro koa ny ho very fihinanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT