Edito

Korontan-dava


  • Alarobia 25 Jolay 2012

Tsy mbola milamina hatramin’izao ny tontolon’ny fampianarana. Tsy miravona akory ny olan’ny SEMPAMA dia io fa mipoitra indray ny grevy sy fitakiana eny amin’ny oniversite.

 Efa nisy ny fidinana an-dalambe nataon’ny mpianatra teny Ankatso omaly. Nisy ny fanaovana sakana tamin’ny alalan’ny fandrehetana kodiarana, dia nisy koa ny mpianatra nosamborin’ny EMMO-Reg. Anio dia fantatra fa hanao «sit-in» manoloana ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony eny Tsimbazaza ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka ary hanatevin-daharana azy ireo koa ny mpianatra. Dia hanomboka indray izany ny savorovoro eny amin’ny anjerimanontolo eny. Zavatra efa mpitranga isan-taona ihany moa no fototry ny fitakiana dia eo aloha ny resaka tambin-karama ho an’ny mpampianatra, ary eo kosa ny resaka vatsim-pianarana sy fanatsarana ny fampianarana amin’ny ankapobeny, ho an’ny mpianatra. Tahaka ny sehatra maro teto amin’ny firenena dia mba nanantena fanovana, araka ny kabary teny an-kianja tamin’ny 2009 nataon’i Andry Rajoelina koa ny teny amin’ny oniversite, saingy nanantena tsy misy e ! Mikorontana ambony ambany ary tsy manaraka ny tokony ho izy intsony ny taom-pianarana eto Madagasikara, amin’ity sehatry ny oniversite ity, ka tsy fantatra intsony ny hahavitan’ny fanadinana sy ny hivaliany ary ny fidirana manaraka. Tsy nisy ny fahagagana fa dia mbola iainana isan’andro ihany ny olana nahazatra teny amin’ny oniversite hatramin’izay, toa vao mainka aza nitombo ny olana satria tafiditra eny koa ny politika sy ny resa-bola ary ny kolikoly. Dia asa izay ho vokatry ny fanadinana amin’ity taona ity, fa raha izay grevy sy fampiatoana ny fampianarana izay aloha no dinihana, dia azo antoka fa hihena ny isan’ny ho afa-panadinana.

Raha tsy hoe manana hevitra sadasada hampitombo ny isan’ny tsy ampy fahalalana miravaka diplaoma, indray angaha ny mpitondra izay efa mazava fa tena tia sehoseho mihitsy. Mampalahelo ny tranga tahaka izao satria manapotika tanteraka ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara, ka rehefa tsy misy na mihena ny manampahaizana dia, tsy hisy hitantana intsony any aoriana kely any, ity Madagasikara ity...dia izay no vita fa miditra an-kalalahana eto ny vahiny hanjanaka ny tany sy haka ny harena. Maro no mihevitra fa tokony handinika tsara ny hamahana ity olan’ny oniversite ity ny mpitondra, fa tsy sanatria hanamaivana ny olan’ny SECES sy ny mpianatra. Efa nisy ny zavatra nifanekena, saingy nivadika tampoka tamin’ny zavatra nosoniaviny ny mpitondra tetezamita, dia io misavorovoro lava io ny oniversite. Dia sanatria ve hiandrasana ny fisian’ny filoham-pirenena vaovao, mety amin’ny 2013 na 2014 ny famahana ity olana ity e ?

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT