Na dia ambara ombieny ombieny aza fa maro mpanatrika ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny FAT, dia tsy takona afenina fa zavon-tany ihany koa ny olom-pirenena tsy mankasitraka ny nanaovana azy io. Na ny SADC aza tsy mankasitraka. Ny mahazendana aza dia misy koa no tsy mahalala ny fisiany akory. Antony maro no avoitra hanazavana izany tsy fankasitrahana izany.
Voalohany indrindra, misy ny milaza fa volan-kankafotra ny fivoriana tahaka itony, ka ny teo ihany no eo. Efa natao teto ny «Assises Nationales», «Atrikasam-pirenena», “Teny Ifampierana”, ny “Dinika Santatra”, saingy tsy nahavaha ny olana ireny rehetra ireny satria tsy andraisan’ireo fototry ny olana rehetra anjara. Tsy tokony ho natao ny nanilika avy hatrany tsy ho ao anatin’ny dinika ny Filoha Ravalomanana, satria ny fanonganana azy no nahatonga ny disadisa politika teto amin’ny firenena. Tsy mahatapitra ny olana politika misy ny fivadihana palitao nataon’ny TIM-Raharinaivo, satria tsy Raharinaivo Andrianatoandro no mpitondra voaongana tamin’ny 17 martsa 2009. Tsy mahasolo tena an-dRavalomanana ihany koa Raharinaivo Andrianatoandro, satria Atoa Marc Ravalomanana nofidian’ny mponina manerana ny Nosy; ary Raharinaivo kosa dia ampaham-bahoaka teny Ambohidratrimo no nahalany azy ho solombavambahoaka.
Mifandraika amin’izay ihany, dia hita mibaribary fa tsy mahasolo tena ny vahoaka Malagasy ireo mpizaika eny Ivato. Ireo mpankasitraka ny FAT avy any amin’ny distrika no tena nantsoina, ary voalaza fa “nariana” tanteraka ireo olona voatsongo tamin’ny “Dinika Santatra”, na koa nampiana lisitra vaovao, mpikambana TGV ny ankamaroany, mba hanendrena solontena vaovao tsy lanin’ny besinimaro. Miendrika “Kongresy nasionalin’ny mpomba an-dRajoelina” ity fihaonana teny Ivato ity, fa tsy fihaonambem-pirenena akory.
Nampihoron-koditra ny mpitazana ihany koa ny fiheverana fa fandanilaniam-poana no nanaovana ity fihaonambe ity. Volam-bahoaka mitentina 10 miliara iraimbilanja no tavanin’ny “mpiara-misaosy’ tamin’ity indray mitoraka ity. “Ny vahoaka manao tapa-kibo, tsy afaka mampiditra ny zanany an-tsekoly, ny mpianatra eny Ankatso tsy naharay vatsimpianarana, kanefa ny sasany mampidera ny herin’ny vola. Araka ny hita tamin’ny fahitalavitra anefa dia tsy ny rehetra no nahazo tombontsoa fa ireo be sandry mahavita misisika maka “badge” sy miady sakafo ihany. Heverin’ny mpanara-maso ihany koa fa ireo namanamana ihany no namoronana “tsena” handaniana ny vola, toy ny famoronan-kira, ny fanaovana sary “biométrique” ho an’ny karatra famantarana ny mpizaika, sy ny sisa.
Ho fehin’izany rehetra izany dia manahy ny maro fa tsy hitera-bokatsoa ho an’ny firenena ity fihaonambe ity. Nikiribiby ihany anefa ny FAT hahatontosa azy, noho ny antony tsy takona afenina : ny fitiavana hitavana ny harem-pirenena mandritra ny fotoana tsy voafetra. Efa manangasanga rahateo ny tetika maizina kotrehina amin’ny fikasana hanova ny taona hahazoana milatsaka ho filohan’ny Repoblika ho 35 taona.
Koa manoloana izany, tsy hay ny hangina satria efa mby an-koditra ny aretina mikiky ny firenena, kanefa misy fanantenana mitsiry, toy ny nandrosoan’ny Profesora Ranjeva Raymond soso-kevitra, vonjy aina, manainga ny herim-panahintsika Malagasy tsy an-kanavaka handray an-tanana ny andraikitra sy adidy amin’ny fivoahana amin’izao krizy izao ary hifanome tanana aminy. Tsy nisora-tena ho mpaminany na mpanao fahagagana akory ny lehilahy fa mahatsiaro manana adidy amin’ny mpiray tanindrazana aminy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.