Edito

Komity mpamita-bahoaka !


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010


Manararaotra ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny vahoaka ireo ao amin’ny KME na komity manohana ny Eny koa dia milaza izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao amin’ny fampielezan-kevitra ataony. Ary tena samihafa mihitsy ny zavatra ambara eto an-drenivohitra sy ny any amin’ireo faritra ambanivohitra maro be. Tany Ihosy ny faran’ny herinandro teo izao dia tsy nisalasala ireo mpandaha-tenin’ny KME fa hihatsara, hono, ny fitsaboana sy ny fampianarana raha lany eo ny Eny. Mbola nampian’izy ireo fa hampilamina ny firenena ny fahalanian’ny Eny ary tsy hisy intsony ny krizy. Ny efa mahalala tsara ny tontolo politika sy ny fitantanana ny firenena dia mahatakatra avy hatrany fa fitaka bevava no atao mandritra izao propagandy izao satria tsy ny fahalanian’ny lalàmpanorenana amin’ny 17 novambra mihitsy no hamaha avy hatrany ny krizy sy hanamaivana ny fahasahiranan’ny olona . 

Dia mbola averina eto indray fa lainga tsara lahatra ny filazana fa hivaha ny krizy aorian’ny 17 novambra. Sahy miteny ve ny ao amin’ny KME fa hahita asa daholo ireo olona tsy latsaky ny 60 000 very asa noho ny krizy niseho tamin’ny 2010. Ary raha eo amin’ny resaka fahasalamam-bahoaka indray dia mahasahy milaza ve ny FAT sy ny KME fa hihatsara vetivety tampoka eo ny fomba fiasa eny amin’ny hopitalim-panjakana, ary tsy ho lafo ny fanafody no sady hahazo fitsaboana ara-dalàna daholo ny malagasy n’aiza n’aiza misy azy. Hahafoana ny kolikoly eny amin’ny hopitaly sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany ve ny fahalanian’ny Eny ? Hampihena ny asan-dahalo sy ny fanafihana mitam-piadiana ary ireo fakana an-keriny isan-karazany hita sy re amin’ny filazam-baovao ve ny vokatr’izany ? Tsy misy milaza kosa anefa eto hoe tsy ho vita mihitsy izany, azo tanterahana tsara, saingy tsy anjaran’ny fitondrana tetezamita no midedaka amin’ny zavatra tsy hataony sy tsy ho vitany akory. I Andry Rajoelina rahateo efa nilaza fa tsy hilatska hofidiana filohan’ny repolika ny tenany. Anjaran’izay filoha hitantana ny repoblika faha-4 no milaza amin’ny andinindininy izay mety ho fandaharanasany sy ny ny laharampahamehany ary ny tetika hanavotany ny toekarem-pirenena.

Mbola te hampiana-dratsy ny vahoaka amin’ny fanaovana politika tsy manara-penitra sy tsy mampandroso ihany ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana ; zarina amin’ny fomba fanao taloha, nolazaina fa tsy mety ny vahoaka, ampanantenaina izatsy, omena toky amin’izaroa dia arahana fivarotana entana mora, dia toa hoe ho avy indray, hono, ny trano mora. Mazava ny resaka izao fa hamoramorain’i Andry Rajoelina ny fahoriam-bahoaka ary tsy ahoany akory ilay hoe fanovana nambara fa notakian’ny vahoaka. Ny mampalahelo amin’ity raharaha ity anefa dia mbola maro ireo mpanao politika tsy mety mivoatra fa manaiky ny iray tsikombakomba amin’ny famitahana ny vahoaka, ka tsy sahy mijoro manohitra izao fanapotehana ny firenena izao fa dia mandany andro amin’ny ady seza, ka izay tafiditra ao an-dapa, mamitsaka tsara sy manao « oui m’se » ireo tavela ety ivelany kosa vonona hianika tamboho sy vavahady mihitsy hamonjy ny sezany. Tena mora tokoa ny mandrava fa sarotra ny manarina sy manorina !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT