“Nofoanan’ny fitsarana ny faritra mena”. “Azo atao izany izao ny mitarika olona mankeny amin’ny faritra mena na manafika Lapam-panjakana, avy eo mitory raha misy fivadihan-javatra”. “Mampigadra ny miandry Lapa”. “Afaka mikomy tsy mandray baiko hitifitra koa izany izao ny miaramila natao hiaro faritra mena raha misy andian’olona miditra amin’izany na koa haka Lapa”. Santionan’ny fanehoan-kevitry ny olona ireo taorian’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava tsotra ny marainan’ny sabotsy 28 aogositra lasa teo, manameloka ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka, hanao asa an-terivozona mandrapahafaty noho ny raharaha 7 febroary. Ny mpahay lalàna dia mahalala tsara ny didy avoakan’ny fitsarana dia mivadika ho didy fankan-tahaka (jurisprudence). Milaza ny tsy hanao fampakarana ny raharaha ny voakasik’iny didim-pitsarana iny, koa tsy hahagaga raha ho lasa kolontsaina io manafika Lapa io, ary dia ho asakasaky ny miaramila koa avy eo, satria raha ny fandehany dia izy ireo hatrany no hifatraran’ny rihitra. Raha nisy ny raharaha 7 febroary, tsy afa-maina ny miaramila. Nandritra ny EPU (Examen Périodique Universel), tany genève ny febroary 2010, nanadinana an’i Madagasikara mikasika ny fampiharana ny lalàna sy ny fanajana ny zon’olombelona, dia nailiky ny ministry ny fitsarana FAT tany amin’ny FIS ny rihitra raha nokianin’izao tontolo izao ny hery famoretana ataon’izao fitondrana izao.
Misy koa anefa ireo raharaha izay tsy azon’ny “tafika” ialana. Ny tantara rahateo tsy fanadino, singanina amin’ireny ny nitranga ny alin’ny alatsinainy 16 martsa 2009. Notafihin’ny miaramilan’ny CAPSAT mpomba an’i Andry Rajoelina ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Tifitra variraraka sy doboka tafondro sy “roquette» no nanakoako tao anaty haizina ary nandritra ny ora maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina tamin’io andro io. Ny ampitson’io, ny talata 17 martsa 2009, mbola miaramila mpikomy avy ao amin’ny CAPSAT no nirodorodo teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, izay nipetrahan’ny filoham-pirenena amperin’asa tamin’izany, Marc Ravalomanana. Nirefodrefotra nandritra ny fotoana naharitra koa teny ny feom-basy aman-tafondro. Dia samy mahalala ny tohiny. Noravana ny governemanta Charles Rabemananjara. Nosoniavina ny didy hitsivolana (2009-001 ny 17 martsa 2009) mamindra fahefana amin’ny «Directoire Militaire» izay hanomana sy hikarakara fifidianana ao anatin’ny roa taona. Tao amin’ny Episcopat Antanimena no natao ny fivoriana fampahafantarana io didy hitsivolana io, nataon’ny Tiébilé Dramé, solontenan’ny Firenena Mikambana nanao fanelanelanana ny krizy, natrehan’ny FFKM, ireo manamboninahitra tokony hamindrana fahefana omen’io didy hitsivolana io, ary i Andry Rajoelina. Tsy nanaiky io didy hitsivolana io ity farany ary nitsangana avy hatrany nivoaka ny trano. Tsiahivina ihany fa ny 31 janoary 2009 ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry Rajoelina, no nisora-tena ho mandray an-tanana ny fiainam-pirenena nandritra ny kabariny teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Ary nambarany fa dia miainga aminy manomboka teo ny baiko.
Nosamborin’ireo miaramilan’ny CAPSAT avy hatrany ireo manamboninahitra tao, ka voakasik’ilay fananganana «Directoire Militaire», anisan’izany koa ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina. Mbola narahina herisetra toy ny sintona vozon’akanjo sy fikasihan-tanana ankoatra ny teny mandratra sofina, aza ny an’ity ray aman-dreny am-panahy mpikambana eo anivon’ny FFKM ity. Nisy fiantraikany tamin’ny fahasalamany izany, ary voatery nandaozany amam-bolana vitsivitsy an’i Madagasikara, ka nipetrahany tany Amerika Avaratra tany, nitsaboany tena. Nentina teny amin’ny CAPSAT Soanierana teny ireo rehetra ireo, io 17 martsa 2009 io ihany. Nokononkononina tamin’io ny didy hitsivolana 2009-003 manangana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ary koa mampihatona ny Parlemanta voafidim-bahoaka ara-dalàna dia ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona. Izany rehetra izany no mitranga, dia noho ny Fitsarana. Kolontsaina hafahafa !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.