Zary toetra sy kolontsaina raiki-tapisaka amin-dRamalagasy tato ho ato ny fandrodanana.
Misy dikany maromaro ihany moa io teny io toy ny hoe fanovana tanteraka, fanesorana, fanoloana ary fandrodanana tsotra izao mihitsy ny zavatra efa nisy teo aloha. Raha eo amin’ny lafiny ara-politika aloha izay iankinan’ny fiainam-pirenena dia angamba tena lohalaharana amin’ny fandrodanana isika eto Madagasikara. Be traikefa ireo mpanao politika raha handrodana fitondrana. Maro kazarana ny fandrodanana sy fanonganam-panjakana nitranga teto fa ny mby ao an-tsaina sy tadidin’ny rehetra aloha dia ny tamin’ny 17 martsa 2009. I Andry Rajoelina no nitarika an’io ary nanana mpanohana maro izy avy amin’ny sehatra isan-karazany. Tsy izay akory no zava-dehibe tamin’ity raharaha ity fa ny toerana sy ny andraikitra notazonin’ireo olona ireo ka nahafahana nifehy haingana ny fampandehanan-draharaham-panjakana ka nampivadika palitao ny maro. Fa teo ihany koa ireo tsy te hanana olana ka dia nanara-drenirano. Tsy nanan-tsafidy afa tsy ny nitsoaka ny filoha dia izay ilay antsoina hoe nirodana. Fa any anaty ministera isan-karazany any ihany koa dia maro ny fimenomenomana noho ity resaka fandrodanana ny efa nisy teo aoha ity, ny fanoloana mpiara-miasa sy ny famindran-toerana moa no tian-kambara eto. Na dia efa notenenina mazava aza ireo minisitra rehetra dia mbola mandeha ihany ny fomba fanao hatramin’izay dia ilay hoe : raha vao miova ny lehibe dia miova daholo ny ekipa rehetra.
Tsara homarihana fa tsy ny ministera rehetra kosa aloha no manao izany fa ny sasantsasany ihany, dia lany andro amin’ny anoloana sy famindran-toerana mpiasa eo fa tsy mifantoka amin’ny tena asa. Dia niaraha-nahita ihany koa ny zava-nitranga tetsy Mahamasina, najoro ny tamboho mba tsy hivezivezen’ny fiara sy tsy hidiran’ny mpivarotra ao amin’ny faritry ny Cité du jardin izay nambara fa «propriété privé». Tsy naharitra herinandro akory anefa dia voarodana izany tamboho izany dia ny teo aloha ihany no niverina ary vao mainka aza niha naloto noho ny vovoky ny biriky ilay toerana. Hatramin’izao, tsy nisy tompon’andraikitra niteny sy nanazava ny tena marina tamin’iny raharaha iny. Lasa resabe ilay izy eny rehetra eny. Rehefa misy izany ny fepetra apetraka na lalàna avoaka dia azo dikaina sy tsy tanterahana ihany ilay izy, ka na iza na iza dia afaka manova na mandrava sy mandrodana izany.
Tsy misy mandà fanovana mihitsy eto, ary tsy hoe eto Madagasikara irery no misy fanonganam-panjakana, fa ny an’ny olona kosa miova amin’ny tsaratsara kokoa ary samy mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra fa tsy samy manao izay tiany izany. Ny tsikaritra dia niova tanteraka ny fomba sy ny fisainan’ny Malagasy, indrindra fa ny eto an-drenivohitra taorian’ny 2009. Nisy nampiana-dratsy mantsy izy dia ilay fandrodanana rehefa tsy metimety amin’ny tena. Tsy mba nisy fandinihana lalina sy fijerena lavitra fa rehefa tsy azoazon’ny vavony fotsiny ilay olona dia narodana, ary narodana nanaraka azy ihany koa ny rafitra rehetra napetrany amin’ny fitantanana sy fandaminana ny firenena. Miverina sy miha mahazo vahana izao ny fanaovana maloto eny amin’ny sisi-dalana, ny fanariana fako, maloto Antananarivo feno soratsoratra ny rindrina, apetraka fotsiny ny takelaka fampitandremana na fampatsahivana fa tsy misy manara-maso na manaja izany na tsia ny mpandalo. Noho ilay kolontsain’ny fandrodanana daholo izany rehetra izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.