Edito

Kolontsaim-panilihana


  • Alatsinainy 29 Novambra 2021

Efa hatramin’ny taona 2007, fony nandray ny toerana maha ben’ny tanàna azy ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, no efa niainana ity kolontsaim-panilihana ny adisoana ho amin’ny fitondrana teo alohany ity.

 “Nandova trosa isika.” hoy izy, raha nikabary voalohany an-kalamanjana tamin’ny maha ben’ny tananan’Antananarivo tamin’izay fotoana izay. Toy ny milaza sahady tamin’ireo mponin’Antananarivo izany hoe aza omenareo tsiny aho raha toa ka sahirankirana mitantana ity tanana ity satria nandova fahasahiranana tamin’ny ben’ny tanàna teo alohako. Toy ny sosoa voatapo-drano tamin’izay ireo lokaloka tamin’ny maha Andry TGV hoe hanova an’Antananarivo ao anaty fotoana aingana be. Kanjo niaraha-nahatsiaro moa ny tantara fa tsy Antananarivo fotsiny 2 taona monja taorian’izay no niova sy tena niova aingana amin’ny maha TGV tokoa fa Madagasikara iray manontolo mihitsy. Indrisy anefa fa tsy fiovana niabo sy nampandroso no niseho fa krizy tsy nety tapitra mandrak’anio. 12 taona izay. Maty iny ny orinasa Air Madagascar dia mbola adisoan’ny teo alohany ihany ankehitriny no votoatin’ny fanehoan-kevitry ny fitondram-panjakana. Io koa ny orinasa JIRAMA dia mbola ny teo aloha ihany, hono, no fositra. Eny, hatramin’ny trosa ananan’ny banky iraisampirenena izay nofaritany mazava izao fa amin’ny fanjakana Malagasy dia mbola ny fitondrana teo aloha ihany no diso tamin’izany. Mametra-panontaniana ankehitriny ny mpanara-baovao hoe any amin’ireo mpitondra teo aloha ve izany ny banky iraisampirenena no asaina mitaky vola? Rehefa tsy adisoan’ny mpanohitra izany izy ity dia an’ny fitondrana teo aloha hatrany na dia ao anatin’izao fotoana izao aza I Madagasikara no firenena farany mahantra sy manana harin-karena -7,7%. Ny mpanohitra sy mpitondra teo aloha avokoa no mahatonga ireo vokatra lodsia nariam-potsiny farany teo sy ny olan’ny jirofo sy lavanilina. Izy ireo ihany koa no mahatonga ny tsy fandriampahalemana isan-karazany efa mahazatra toy ny asan-dahalo sy ny vaovao toy ny trafikan-jaza varira. Tsy misy afa-tsy ny mpanohitra sy ny mpitondra teo aloha ve izany no nahatonga izany rehetra izany fa ny fanjakana ankehitriny kosa entin’ireo tsara fanahy sy tsara tarehy ary “manja kely” mba tsy hilazana hoe anjely ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT