Edito

Kolikoly no fanampin-tsakafo


  • Sabotsy 03 Novambra 2012

Raha fintinina ny tatitra farany nataon’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco dia mitombo ny fanaovana kolikoly, saingy mihena ny isan’ny olona mitaraina.

 Tena mampihoron-koditra ny toe-javatra satria mitady ho lasa fomba amam-panao any anaty fiarahamonina sy amin’ny sehatra rehetra eto amintsika izany ny tsolotra sy ny kolikoly. Ahitana azy io avokoa na ny sehatry ny asam-panjakana na any amin’ny tsy miankina, eny an-dalambe eny dia efa tsy miafina intsony ireo polisy sy zandary mitaky vola amin’ny taksibe sy ny taksibrosy ary ireo kamio mpitatitra entana mivezivezy amin’ny lalam-pirenena. Raha mba misy ny taratasy karakaraina any amin’ny birao dia tsy maintsy mametraka kely aloha izay vao misy mikitika iny taratasy iny.

Mahazo aina ny mpandraharaha sasany fa vitan’ny vola ny zava-drehetra, ka na mety na tsy mety atao dia tsy misy mitaintaina izany mihitsy fa mametraka kely fotsiny dia milamina ny resaka. Tena nihemotra i Madagasikara hatramin’ny nisian’ny fitondrana tetezamita, raha ity ady amin’ny kolikoly ity no resahana. Ny hita dia ireo mpitondra sy manampahefana mihitsy no ohatra ratsy, ka mahatonga ny olona tsy hivaky loha. Aiza ve koa minisitra enina no mba nanao fanambaram-panana tamin’ity 2012 ity ary ireo mpikambana CT sy CST dia tsy nisy nanao na iray aza. Iza no tsy mahalala anefa fa eo amin’io tontolon’ny politika io no tena misy vola mifamezivezy be, ary maro be ny manampahefana sy mpanao politika nividy fiara sy nanorina trano nandritra izao tetezamita izao. Samy mody fanina ny ao ambonimbony ao, ary matetika aza dia ny mpanao gazety mamoaka ny  marina indray no lazaina fa mamorona sy mandainga na manalabaraka; kanefa dia hitam-poko hitam-pirenena izao ny fitomboan-karena mihoapampana ho an’ny olona sasany nahazo avara-patana tamin’ny tetezamitan-dRajoelina. Ny mampametra-panontaniana koa dia ny hoe : fa ahoana marina no tena fomba fiasan’ny Bianco ? Ahoana no hanekena na tsia ny antontan-taratasim-pitoriana tonga eny Ambohibao eny ?

Ny profesora Zafy Albert mantsy, ohatra dia nanatitra fitoriana teny amin’ny Bianco mahakasika ny kolikoly avo lenta amin’ny resaka hazo sarobidy, ary misy anarana mpitondra voatonona ao. Noraisina sy efa nanaovana fanadihadiana ve io dosie io, sa nampirimina tahaka ny nataon’ny fitsarana koa ? Nanome toky moa ny jeneraly Faly Rabetrano izay mitarika ny Bianco fa hisy ny paikady vaovao hampiharina mba hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ary hosaziana amin’izay ireo manampahefana tsy manao fanambaram-pananana amin’ny herintaona, ka ho hita eo indray ny vokany. Fa raha izao kolikoly efa lasa tahaka ny fanampin-tsakafo eto amintsika izao aloha no hiatrehana fifidianana, dia ….asa fotsiny e  !

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT