Edito

Kolikoly fitazoman’aina


  • Zoma 03 Jona 2016

Vao miha zava-doza ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara ankehitriny.


 Manjaka ao ny vola sy ny don-tandroka  ary tsy misy resaka foto-kevitra ijoroana intsony. Ny soatoavina na etika politika moa dia efa nalevina im-pito mandifotr’olona. Azo itarafana tsara izany ny tranga rehetra misy eny amin’ny antenimieram-pirenena. Fomba fisainana tokana aloha no manjaka eny. Misy ihany ireo depiote manakiana ny tsy mety, saingy rehefa raikitra ny fifidianana na tsangan-tanana dia mandresy foana ny mpomba ny fitondrana. Na vitsy an’isa aza ireo mpanohitra na tsy tonga mivory koa dia malalaka ny lalana ho an’ny mpomba ny fitondrana. Mety ho noho izany angamba no mahatonga ny filoham-pirenena sahy mamoaka teny mahery tato ho ato izay, satria efa azony antoka fa tsy haharodana ny any amin’ny parlemanta izy. Ny fidinana an-dalambe, efa hita fa tsy mbola tafavoaka aloha hatreto. Ny olona rahateo reraky ny fitadiavana, mbola mahatadidy tsara ny zava-doza nitranga tamin’ny 2009, hany ka tsy hisy hanao sorona ny tenany raha mbola ireo mpanao politika efa fantatra ireo ihany no mitarika eo. Tsy mbola afaka misioka kosa anefa izao fitondrana HVM izao satria araka ny tenin’ingahy filoha ihany dia mety hisy ny tranga-javatra amin’ny ora tsy ampoizina. Ilay “ho avy toy ny mpangalatra” dia mety hamadika tanteraka ny rasa. Re mantsy fa maromaro ihany ireo olona manana ny maha izy azy manomboka mivory etsy sy eroa. Raharaham-pirenena no foto-dresaka ary tsy mpankafy ny fitondram-panjakana izy ireo ary efa tena leon’ny gaboraraka sy ny fiainana dangodango eto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT