Edito

Kolikoly


  • Alarobia 09 Desambra 2015

Roa miliara dolara mahery ny vola very isan-taona manerantany noho ny resaka kolikoly. Ampy hanatanterahana ny ampahatelon’ny fandaharanasa PND hampandrosoana an’i Madagasikara io vola io.

 


 Mitovitovy taona amin’ny nisian’ny olombelona tety ambonin’ny tany ny kolikoly. Lasa efa rafitra sy fomba amam-panao mihitsy amina firenena maro, indrindra fa ireo sahirana, tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Manamora na manafaingana ny zavatra atao ho an’ny sasany izy io saingy manakorontana ny fiarahamonina sady mampisy elanelana eo amin’ny manan-katao sy ny tsy manan-katokona. Noho ny kolikoly dia afaka madiodio foana izay manam-bola eny amin’ny fitsarana na dia efa voaporofo izao aza fa meloka. Noho ny kolikoly dia miroborobo ny fanorenan-trano tsy manara-dalàna ka na tatatra sy lakandrano aza dia totofana na taingenana, tondraka ny rano avy eo, mitondra faisana ny ambany tanàna. Noho ny kolikoly dia manome tombontsoa mihoapampana vondron’olom-bitsy ny fitondram-panjakana, ary vola no mibaiko ny sonian’ny manampahefana fa tsy ny soa iombonana. Azo atao anefa ny mampihena ny kolikoly mba hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary hampirindra kokoa ny fiainam-piarahamonina. Tsy rafitra sy lalàna fotsiny no enti-miady aminy fa tena mila fanovana ny toe-tsaina sy ny fomba fijery mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT