Edito

Kofona tanteraka !


  • Talata 06 Aogositra 2019

Tsy arakarak’ilay ambara fa masinina haingam-pandeha ny fizotran’ny fitantanana ny firenena sy ny famahana olam-bahoaka amin’izao fotoana izao,

 

 

 fa tena kofona tanteraka ny fitondram-panjakana. Ny kajikajy politika hanamafisan-tseza aloha izao no tena mbola ao anatin’ny hafainganam-pandeha mafy dia mafy. Tsaroana ny fitetezam-paritra fony fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka, saika nahenoana foana ny feon’ny filoham-pirenena, nanohana ankolaka ny kandidany. Toa tsy re intsony, ary niha-nahalana ilay fitetezam-paritra na koa ny fitokanana fotodrafitrasa. Tapina ve ny daomy sa kosa mbola manomana seho lehibe hamalifaliana ny vahoaka donton’ny fahasahiranana sy fahantrana ? Toa vakansy niaraka tamin’ny governemanta tokoa angamba satria hifarana anio ny fialantsasatra ho an’ny andiany faharoa, taorian’ilay fahazoana fialam-boly roa andro taorian’ny fanendrena. Etsy an-kilany, mihalalina hatrany ny fahasahiranam-bahoaka. Midangana andro aman’alina ny vidim-piainana, ny kojakoja ilaina amin’ny andavanandro, ny harina fandrehitra ifampitadiavana ary efa manodidina ny 30 000 Ariary ny iray gony,… Ny tsy fandriampahalemana miha mahery vaika hatrany na andro na alina. Tsy manam-bahaolana ny mpitondra fanjakana,  ary raha jerena sy tarafina amin’ny fomba fanaony hatramin’izay, dia ny mitady fomba hamalifaliana vahoaka amin’ny kisehoseho ivelany no mety mandany ny ron-doha, fa izay vahaolana maharitra miantraika amin’ny any am-bilanin’ny vahoaka madinika tsy misy. Tena mahavita azy tokoa ve sa didoha sy famotehana firenena no betsaka ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT