Miha mahazo vahana ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe, eto an-drenivohitra, tato anatin’ny iray volana izao.
Tsikaritra ihany koa fa manomboka mihena ny fampiasan-kery ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ireo mpanao fihetsiketsehana, ka porofon’izany ny nahafahan’ny mpianatra sy ny mpitolona avy ao amin’ny Magro nilahatra teny Analakely, namakivaky ny Araben’ny fahaleovantena. Afaka niditra teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey koa ka nametraka fehezam-boninkazo teo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana, ny mpanohitra omaly. Misy ihany ny mpitandro ny filaminana tazana teny amin’ny manodidina, fa ny zava-nisy aloha dia tsy nanakana ny olona hilahatra teo amin’ny manoloana ny Lapan’ny tanàna izy ireo, ary na nisy olona nitangorona aza teo dia tsy niroso avy hatrany tamin’ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ny Emmo-Reg. Raha tamin’ny herintaona tahaka izao anefa dia mbola nofinofy izany hoe hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey izany fa dia miaramila sy polisy ary zandary amina kamio maro no mitoby manoloana ny gara Soarano sy eo afovoan’ny Araben’ny fahaleovantena eo.
Koa raha izay no izy dia voarain’ny mpitondra izany ny hafatra avy amin’ny SADC sy ny FFKM farany teo, izay samy mitaky ny hanajana ny fahalalahana maneho hevitra. Mety mba efa nahatsapa ny tsy mety nataony koa angamba ny manampahefana sasany ka mandinika tsara aloha izay vao manenjika sy misambotra ny vahoaka maneho ny heviny eny an-dalambe. Ary ilay izy anie efa mazava hatramin’ny voalohany fa tsy zakan’ny mpitondra eto amintsika mihitsy ny mahita ny mpanohitra, mahatarika olona midina an-dalambe izany e ! Ary raha mikasa ny hamory olona aza ireto farany dia omena kianja lavitra, ivelan’ny renivohitra tahaka ny eny Andranomena na Antsonjombe, hany ka tsy hazoto handeha any ny olona, amin’izay koa tsy tazan’ny besinimaro ny zava-mitranga satria any amin’ny takontakona.
Dia izay angamba no nanafoanan’i Andry Rajoelina ny Kianjan’ny Demokrasia etsy Ambohijatovo. Saingy hita ho efa miova ny zava-misy ankehitriny. Mihodina ny kodiaran-tsarety, tafiditra eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy eny Analakely ny mpanohitra, ary mety hanara-dia izany ireo rehetra manana fitakiana. Efa manomboka mafampana indray ny maripana ankehitriny, ary fahadisoana goavana raha amin’izao indray no hitsivalana amin’ny fahafahan’ny olona maneho hevitra ny mpitondra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.