Niodin-kavia, miodin-kavanana, miandrandra ambony, mijery ambany, saingy … tsy hita ihany izay fiovana eto Madagasikara.
Raha ny tena marina aza dia nihemotra mihitsy isika. Zava-misy amin’ny fiainana andavanandro no ahitana izany fa tsy resaka tarehimarika sy salanisa mivoaka etsy sy eroa. Ireo izay tena namono tena nitolona tamin’ny 2009 aloha dia efa maro no kivy sy ketraka satria, na izy ireo aza very asa sy miha sahirana, raha tsy hoe angaha, anisan’ireo niakatra teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary, ka nanana fianakaviana akaiky maty na naratra sy nitondra takaitra dia mandray 2 hetsy ariary isam-bolana. Tsy mety mahita ilay fanafody, nampanatenainy fa mahasitrana an’i Madagasikara ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ary tsy mbola miova amin’ny fanaony fa mikabary mampanantena ny vahoaka, sy mihantsy ady lava amin’ny mifanandrina politika aminy. Misy ihany ny tsirim-panantenana kely amin’ny hoe mety hidiran’ny FFKM an-tsehatra amin’ny fanelanelanana, saingy hita fa tsy ho mora ny asa.
Tahaka ny mba nangingina tato ho ato izay, ireo mpanao politika, asa na efa voky na reraka ny manoka-bava, na koa lany lainga, na mba efa tonga saina ka mandini-tena tsara aloha mialohan’ny hitenenana indray. Tsy mbola misy resaka ihany hatramin’izao ilay resaka famotsoran-keloka tokony ho dinihan’ny Parlemanta, volavoan-dalàna momba ny fifidianana izao no malaza eny, ary dia ho lany amin’izay ity herinandro ity, dia 8 andro indray sisa, manomboka amin’ny alatsinainy izao no hahafahan’ny CT sy ny CST mivory, ka asa raha mba ho tonga eny amin’io herinandro io na tsia ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka.
Na tsy miteny aza ireo mpomba ny FAT anaty fanjakana dia mazava fa izy ireo no manao mihitsy izay hampitarazoka ny fandinihana ity famotsoran-keloka ity, ny tanjona dia ny fanilihana an’i Marc Ravalomanana tsy hahazo izany, ka tsy hiverina eto, izay midika fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana koa ity filoha teo aloha ity. Ho hita eo raha hahavita fahagagana ireo zanak’i Dada anaty governemanta sy ao amin’ny Parlemanta, fa raha ny miara-dia amin’i Andry Rajoelina aloha, dia tsy azo antenaina hanaiky ny fiverenan’i Dada valo mora foana eto izany. Ka ahoana ihany izany no atao eto, dia tsy ho tanteraka mihitsy izany ny fampihavanana fa dia ny «tsy miady tsy miady, fa kobay an-kelika» foana no hanjaka eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.