Edito

Kivy ny vahoaka


  • Zoma 03 Oktobra 2014

Ndao hialana kely aloha ny resaka politika avo lenta fa hojerena ny fiainan’ny olona andavanandro. Tsapa amin’ny zava-misy sy ny zava-mitranga fa sahirana ara-pivelomana ny Malagasy ary tsy mahatoky ny mpitondra.

Tsy to teny ny mpitondra amin’izao fotoana, tsy voafidim-bahoaka, tsy tian’ny vahoaka, tsy maharesy lahatra ny vahoaka, tsy atokisan’ny vahoaka. Tsy midika inona ho an’ny Malagasy maro an’isa akory izay voka-pifidianana filoham-pirenena navoakan’ny CENI-T ary nohamafisin’ny CES, fa ny fantatry ny olona dia filoham-pirenena tsy nahazo ny fahatokisan’ny vahoaka i Hery Rajaonarimampianina. Ary na izy tenany aza dia efa mahatsapa tsara izany tsara isaky ny mitety faritra noho ny fahavitsian’ny olona mitsena azy sy mihaino ny kabariny. Sambany tamin’ny tantaram-pirenena ny hoe tsy feno ny kianjaben’i Mahamasina nandritra ny lanonana fianianan’ny filoha vaovao nambara fa voafidim-bahoaka ny 25 janoary 2014. Efa fambara zavatra maro ireny. Mbola manampy trotraka ny fankahalan’ny vahoaka ny fitondrana mijoro izao  ny fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitondra sasany, ny fisetrasetran’ireo manampahefana isan’andro mandika ny lalànan’ny fifamoivoizana, ka miditra amin’izao arabe rehetra tiany izao amin’ny ora maha mety azy satria maika hiasa, hono, izy na…voaantso tampoka ho eny an-dapa. Eo ihany koa ny afera ataona manampahefana sivily sy miaramila maro, fantatry ny vahoaka ireny, ka mahatonga azy tsy hatoky intsony ny mpitondra. Efa tena latsaka an-katerena ny firenena, ny mampalahelo anefa da tena sarotra ny hamahana ny olana sy handrehetana indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana any amin’ny olom-pirenena tsirairay avy noho ny fahatsapan’izy ireo ny fitiavantenan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika. Raha izao no mitohy dia ho lasa zanatany ho azy eo indray i Madagasikara e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT