Edito

Kivy, leo, tofoka,…!


  • Talata 28 Mey 2019

Tontosa omaly iny ny fifidianana solombavambahoaka teto amin’ny tany sy ny firenena. Miandry ny vokatra ofisialy isika mianankavy.

Betsaka no azo resahina niainga tany am-piandohana satria tsy tambo isaina ny lesoka samihafa. Mifanjohy sy misy rohy tamin’ny fifidianana filoha iny. Tsy mbola nisy hatramin’izay naha Madagasikara an’i Madagasikara ny taham-pandraisana anjara ambany dia ambany izay 25% ka hatramin’ny 30% eo ho eo, raha ny vokatra vonjimaika omaly aloha. Kivy tanteraka ny olom-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy mahatoky ny fitondram-panjakana sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tofoky ny hosoka sy fanodinkodinana ny safidiny. Niharihary ny endrika tsindry bokotra sy karazana fampidirana tao anaty saim-bahoaka, fa ny kandidam-panjakana no foana no ho lany eo. Tsy marin-toerana sy tsy tohanan’ny vahoaka maro an’isa ny fahefam-panjakana, fa naman’ny samy maka ho azy ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra. Samy manao izay saim-patany. Rehefa manao zavatra iray, dia hakana lesona amin’ny ho avy ny lesoka tamin’ny natao teo aloha, saingy tsy izay no nisy tamin’ity fifidianana ity. Ny fifidianana filoham-pirenena, dia toa sokajiana ho fametrahana ny vato fototry ny fanjakan’i Baroa. 25 tapitrisa eo ny Malagasy, ary 10 tapitrisa no manana zo hifidy. Ny 75% amin’ny olom-pirenena 10 tapitrisa mpifidy izany izao no tofoka, ary raharaha be raha ireo no mitroatra eo!

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT