Edito

Kitoatoa !


  • Zoma 08 Jolay 2011

Fa inona ihany ary no mitranga ao ambonimbony ao no tsy ahitana fitoniana mihitsy ny fitantanan-draharaham-panjakana eto amintsika ?

 Tsy mety ahitam-bahaolana araka ny tokony ho izy ny fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany, izay ambara fa raharaha sarotra tokoa ka tena mila fitandremana. Ny olana anefa dia misy voka-dratsiny eo amin’ny sehatr’asa hafa izany ary mety hitarika fahaverezan’asa mihitsy. Matahotra ny hiverenan’ny tantara ratsy tamin’ny nahatapahan’ny AGOA ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba eto amintsika satria rehefa tsy miasa ny ladoany dia mikatso ny fanafarana sy fanondranana entana ary ho tapaka hatreo ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany ka tsy miditra ny vola, dia na hampihena ny mpiasa ao aminy ilay orinasa, na hikatona tanteraka. Tsara homarihana fa ilay aferana boaderôzy 6 kaontenera tratra tatsy amin’ny nosy Maorisy no nampikorontana ny ladoany teto amintsika ka nampitatra ny olana.

Fa ankoatra izay dia miseho masoandro koa izao ny tsy fitokisan’ny fitondrana tetezamita ny CENI izay tokony hikarakara ny zava-drehetra manodidina ny fifidianana. Nanapa-kevitra mantsy ny alarobia hariva teo ny filankevitry ny minisitra notarihan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina teny Iavoloha fa dia hiditra an-tsehatra amin’ny fanomanana ny lisi-pifidianana ireo solontenam-panjakana isam-paritra, miainga any amin’ny Fokontany izany, mandalo ny Kaominina sy ny Distrika ary hatrany amin’ny faritra. Raha tsorina dia miditra tanteraka amin’ny fikarakarana fifidianana ny fanjakana. Omaly dia nisy ny filankevitry ny governemanta teny Nanisana ho fandaminana ny asa fanaraha-maso ataon’ny minisitra tsirairay avy, izay hitety faritra sy Kaominina. Manome fe-potoana hatramin’ny 31 jolay izao ny filohan’ny FAT mba hahavita tsy misy tomika ny lisi-pifidianana hahafahana miroso faran’izay haingana amin’ny fifidianana. Azo antoka fa hiteraka resabe ity fanapahan-kevitra ity. Iaraha-mahalala mantsy fa maro amin’ireo olona ao anatin’ny tetezamita no ho kandida amin’izay fifidianana ho avy eo, lohalisitra amin’izany i Andry Rajoelina. Izy ireo indray anefa izao no milaza fa handray andraikitra hikarakara ny lisi-pifidianana. Nambara moa fa tsy misalovana ny asan’ny CENI mihitsy ny rafitra apetraka eo fa natao hanampy azy. Samy mahalala ny rehetra fa mihena ny asa aman’andraikitry ny Vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana fa ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministera misahana ny fifandraisan’ny andrim-panjakana, ny ministeran’ny atitany ary ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana no hibahana ny sehatra amin’ity raharaha ity.

Mazava izany izao fa efa hatramin’ny 2010 no tsy dia natoky ny ekipan’i Hery Rakotomanana ny FAT matoa nitarazoka ny famoahana ny tetibola sy ny fitaovana tokony hampiasaina. Tsy nahagaga raha feno tandrevaka ilay fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010. Ary ankehitriny dia nambara an-kolaka tamin’ny fomba ofisialy fa tsy mahavita azy ny CENI fa hisy ny rafitra hafa hanao ny asany. Azo antoka avy hatrany fa tsy hisy antoko mpanohitra hanaiky izay lisi-pifidianana hivoaka amin’io 31 jolay io. Na ny sehatra iraisam-pirenena miaraka amin’ireo mpanara-maso avy any ivelany aza dia tsy ho resy lahatra satria ny olona ho kandida amin’ny fifidianana ve sady eo amin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy no mandrafitra ny lisi-pifidianana. Tena kitoatoa an !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT