Tena nanaratsy endrika ny fihaonambem-pirenena ilay andalana vitsivitsy momba ny fanesorana ireo lehiben’ny Faritra sy ny Ben’ny tanàna. Tsy mitsahatra ny ady hevitra avy amin’ny ankolafy politika rehetra amin’izao fotoana. Nipiotra hatramin’ny hoe : f’angaha moa mahasolo tena ireo vahoaka nifidy ireo Ben’ny tanàna ny mpizaika teny Ivato ? Olona manohana ny tetezamita no namoaka izany teny izany. Dia lasa ihany ny saina hoe : koa raha izay no izy, dia moa va mahasolo tena ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa marina ireo nanatrika ny fihaonambem-pirenena nandritra ny herinandro ? Satria tena mahalasa fisainana mihitsy ny fanapahan-kevitr’ireo maro an’isa tamin’ity resaka Ben’ny tanàna ity. Amin’ny fomba ahoana moa no hanesorana olona 1500 mahery sy hametrahana PDS hisolo azy ireo, ato anatin’ny roa volana, mialohan’ny datin’ny 17 novambra, voatondro fa hanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka, handaniana ny lalampanorenana ? Mbola asa mafy koa anefa eo anelanelan’izany ny fametrahana ireo rafitra isan-karazany, ny fanendrena praiministra vaovao, ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta, ny fanazavana amin’ny vahoaka izay volavolan-dalampanorenana hisafidianana amin’ny 17 novambra. Misavoritaka ny rehetra, noho ny sy fahamatoran’ny fanapahan-kevitra teny Ivato.
Ho an’ny mpandinika ny raharaha politika dia ireny mihitsy no atao hoe “erreur politique”. Tena fanipazana hoditr’akondro ireny. Sarotra arenina ! Efa endrika fanonganana an’i Andry Rajoelina amin’ny fomba an-kolaka ireny, ary mbola fanombohana fotsiny ilay izy, raha ny fijery azy fa mbola ho avy ny zavatra hafa. Noho ny tandrevaka nataon’ny mpivory teny Ivato dia vaotery hanova ny zavatra efa tinapaka i Andry Rajoelina. Raha ny fijery azy mantsy dia tsy ho sahy hamoaka didy hisivolana hanala ny Ben’ny tanàna rehetra izany mihitsy ny filohan’ny FAT satria famonoan-tena ara-politika ho azy izany. Ny olana anefa dia hanova ny nambara fa hevitry ny vahoaka nivoaka tamin’ny fihaonambem-pirenena ve izany izy ? Ary raha mikitika na manova an’io anefa izy, dia mino aho fa ho avy indray ny fitakiana isan-karazany hoe : kitiho kely koa ary ny momba ny famotsoran-keloka, mba ovay kely ary ny momba ny fahafahaa milatsaka ho fidiana, tsy aleo ve ampiana kely ny momba ny fahefan’ny parlemanta… dia hikorontana eto isika mianakavy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.