Sarotra ny zavatra iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Sesilany hatrany ny olana, izay toa tsy ahitan’ny fitondram-panjakana vahaolana maharitra sy mateza.
Tsy manana fotoana hisainana sy hamisavisana izay fampandrosoana intsony fa tena lany andro mamono afo sy mandravona izay olana miseho. Etsy an-daniny, dia tsy tena hita soritra ny fiombonana sy firaisankina ao anaty fitondram-panjakana fa toa samy maka ho azy, samy miaro ny tombontsoany. Ny samy ao anaty fanjakana no mifamely an-kolaka. Herintaona nitantanana ny firenena tsy hita izay tena tondrozotra mazava fa toa miankina amin’ny zava-miseho ny fihetsika hatao. Ireo ambara fa laharam-pahamehana mbola misy ny ahitana olana : famatsiam-bola, mpiara-miombon’antoka, fanoheran’ny fiarahamonina voatohintohina,… Toa tsy misy rahateo ny fifampiresahana sy ny fakana ny hevitry ny vahoaka amin’ny ambara fa velirano sy fampandrosoana hatao. Indraindray, dia mihevitra mihitsy ny olom-pirenena sasany hoe : sao dia firenena efa matanjaka sy milamina ara-toekarena aza no tokony hotantanin’ireo eo amin’ny familiana an’i Madagasikara ? Ny resaka vina mantsy dia efa tena lasa lavitra tsy mifanaraka amin’ny fahorian’ny Malagasy. Mila sintonina tsikelikely hiakatra aloha ireo, hiaina sy hahavita tena, tsy hanana olana, hahavita tena ara-tsakafo,… ary mandeha ho azy kirendrarendra avy eo. Mila dinihina lalina ny tokony ho laharam-pahamehana, mba tsy ho haingo ambony tsikoko ny ambara fa fampandrosoana an’i Madagasikara. Am-bava homana am-po mieritreritra !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.