Edito

Kinga sy mailaka


  • Zoma 20 Jolay 2012

Miezaka ny manamarin-tena amin’ny fampakarana vidin-jiro irosoany ny Jirama.

 Ambara fa vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fihenan’ny lanjan’ny vola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny no antony. Mifanipaka ihany amin’ny resaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, izay mahita fa mihena ny vidin’ny solika eran-tany ka tokony hihena ny vidin’ny solika eto amintsika izany. Ny amin’ny sandam-bola malagasy indray, dia mampametra-panontaniana koa ny fiheverana fa mihen-danja, nefa tsy misy afa-tsy ny Banky Foibe no manangona volamena eto, fa tsy azo aondrana intsony izany. Kinga sy mailaka mampakatra vidin-jiro tsy an-kiera, ary manapaka jiro sy ranon’ireo tara fandoavana faktiora ny Jirama, nefa mihisatra rehefa hanefa ny volan’ireo orinasa mpamatsy herinaratra azy.

Kinga sy mailaka ny fanjakana mampakatra grady ny miaramila, na dia mitarika vesatra amin’ny tetibolam-panjakana aza izany, nefa manampin-tsofina kosa manoloana ny fitakiana ataon’ireo sendika samihafa. Kinga sy mailaka nanongam-panjakana tamin’ny 2009 nanosihosy demokrasia ary tsy nanaja ny safidim-bahoaka nefa izao manitatra tetezamita. Mihisatra rehefa hanao fifidianana, malaina hisedra safidim-bahoaka. Kinga sy mailaka mandray fanapahan-kevitra nampihantona amin’ny asany ireo minisitra dimy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny FAT nefa mihisatra, eny mandà ankitsirano tsotra izao rehefa takiana hampihatra ankitsim-po ny andininy faha-16, faha-17, faha-18 ary faha-20 ao amin’ny tondrozotra. 

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT