Edito

Kimaizimaizina no lehibe indrindra


  • Zoma 22 Martsa 2019

Ny fitiavana no lehibe indrindra, hoy ilay teny ao anatin’ny soratra masina nentina natao fitaovana politika teto amin’ny firenena Malagasy.

 

 

Nentina tamin’ny propagandy, nampiasaina nakana ny fon’ny mpifidy. Rehefa tena zohiana anefa ny tantara, dia mibaribary fa ny kimaizimaizina sy ny fangadrana ireo tsy mitovy firehana amin’ny mpanao politika eo amin’ny fitondrana no lehibe indrindra. Firifiry moa ny zavatra tsy mangaraharaha asehon’ny mpitondra am-perinasa nanomboka izy nandray ny fahefana ka hatramin’izao? Mbola tsy vita ny fifidianana dia efa nanafatra fitaovam-piadiana sy fiara mpiady, kanefa sokajiana ho mbola sivily. Nividy fiara raitra sy tsy laitram-bala satria efa nahatoky fa ho lany ary efa niantehitra tamin’ny zavatra tsy mangaraharaha na ny hosoka angamba,… Dia io indray fa mirehareha amin’ny vary mora, izay tsy misy misy zavatra mazava intsony na volam-panjakana no miala amin’ireny na kimaizimaizina iarahana amin’ny Pakistanais. Io fa mandeha ny fifidianana solombavambahoaka, ka ratsy tarehy mangata-bady arak’ilay fitenenana ny olon-dRajoelina, hany ka ny anaran-dRay no enti-mangataka kanefa dia voararan’ny lalàna izao ny fampifangaroana ny fitantanana ny firenena sy ny raharahan-tokantranon’ny antoko. Asa aloha na mihevitra ny tenany ho Raiamandrenin’ny Malagasy tokoa ilay filoha am-perinasa na lehiben’antoko, fa resaka firaisam-pirenena izany dia sarotra aminy hahatanteraka azy raha dinihina amin’io afitsok’izy mianankavy io.  Tsy misy faly ny hanakihana be fahatany eto, fa raha te hanana ny fiandrianana sy mijoro ho raiamandrenin’ny Malagasy tokoa, dia tena mampiseho fa filamatra eo anatrehany. Tsy izay anefa no miseho ankehitriny, fa mpitari-bato vilam-bava! Hafa ny lazain’ny vava, fa hafa ny tanterahin’ny tànana. Ny vitan’ny hafa no ezahina japiana sy lazaina fa fanatanterahana ny velirano natao, fa izay zava-baovao tena nentin’ilay fanjakana toa mbola manjavozavo. Sarotra aminy ny hiteny sy hitsotra fa fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana no ataony, fa to ate hisoloky amin’ny hoe: io ny velirano nolaziko, fa tanterahiko tokoa! Ny resa-bary mora tsy mahavita taona sy toa mamono ny tantsaha angaha ka tsy hifaka ny rehetra, fa ny ankoatr’izay dia toa mitady ho endrika fisolokiana hoenti-manarona ny dian-tànan’ny teo aloha! Asa lahy hoe rahoviana tokoa vao tena hiainga avy any ambony ny ohatra?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT