Mihazakazaka ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Nambaran’ny fitondram-panjakana tany am-boalohany fa atao ao anatin’ny
mangarahara ny zava-drehetra. Nisy mantsy ny ahiahy tany aloha, fa maro ny zavatra hafenimpenina. Nolazaina fa tsy afaka ny handainga ny fitondram-panjakana, ary zavatra tsy maintsy hamarinin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana na ny OMS no havoaka amin'ny antontan'isa. Nisy ny fifandirana tamin’io rafitra io taty aoriana, ka ahoana izany ny rindran-damina amin’izao fotoana izao? Maro ny zavatra mampiahiahy miely eny amin’ny fiarahamonina sy tambajotran-tserasera, toy ny faty olona etsy sy eroa. Misy mihitsy ny resaka mivoaka mombana fahafatesan’olona akoatra ireo nambara ofisialy, toy ny tao Toamasina fa misy maty ary voalaza fa efa voamarina ny trangana coronavirus. Sady tsy manamarina no tsy mandiso ny fanjakana. Miroaroa saina sy manahy zavatra kimaizimaizina ny olom-pirenena satria tsy mahatakona sy tsy maharesy ny karazan-tserasera mandeha ny seraseram-panjakana, ary matetika tara, ka fanamarinana na fandisoana ny zava-misy hita na ren’ny olona sisa andrasana amin’ny zavatra ambarany. Indraindray tena tsy maharesy lahatra ny zavatra ambara. Tsy amin’ny fitantanana ny aretina ihany, fa mila mazava sy mangarahara ihany koa ny resaka vahaolana ara-toekarena sy sosialy miainga amin’ireo volabe azo ho amin’ny anaran’ny Malagasy, fa ny zavatra tena misongadina eto dia ny fanindrahindrana ilay tambavintsika. Mila fahintsiana ihany koa satria miteraka tsy fitokisana ny fahalalan’ny vahoaka fa lalaovina ny sainy, toy ilay resaka fananganana laboratoara vaovao, kanefa fotodrafitrasa efa natsangana sy notokanan’ny fanjakana teo aloha no nolokoina ny loko politikan’ny mpitondra, dia hiverenana hotokonana atsy ho atsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.