Kihon-dàlana

Mandalo kihon-dàlana goavana ny firenena. Amin’ity herinandro ity no katsahina


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

hanatanterahana fifidianana amboletra, hampidi-kizo indray an’i Madagasikara raha tanteraka eo.

Minia mikipy tsy te hahalala ny fanoherana amin’ny endriny samihafa ny mpitondra izay heverina fa tsy ara-dalàna. Raha tena tsy matahotra fifidianana marina, dia tsy matahotra velively ny hirosoana amin’ny fanadiovana an’io fifidianana io, ary manaraka antsakany sy andavany ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery, fa tsy rehefa amin’ny tombotsoa politika dia voizina io, fa rehefa misy voahitsakitsaka dia hodiana adala. Ny sary mitranga ankehitriny, dia ny manam-basy sisa no tena ianteherana, ireo no tambazana mafy hamoritra ny vahoaka sy ny mpanohitra, fa raha izay tena fanohanan’ny valalabemandry dia sary ivelany amin’ny alalan’ny olona tambazana sisa, fa na ireny akanjo aparitaka eraky ny tanàna ireny aza dia vitsy mba tsy ilazana fa tsy tena misy ny misalotra azy amin’ny fiainana andavanandro any anaty fiarahamonina. Raha sanatria ka mbola hahomby ny fibodoam-pahefana dia mieritreritra ve ny mpitondra ankehitriny fa hanana fahamarinan-toerana ara-politika ary tena mbola afaka ny hampandroso ny firenena raha tarafina amin’izay folo taona efa nitondrana vao mainka nandetika an’i Madagasikara izay ? Hatao takalon’aina hatrany ny firenena ka tamin’ny 2009 nanongam-panjakana dia vitavita ho azy ? Tamin’ny 2018 lany tamin’ny fifidianana « doublons» fa noleferina ary fihemorana no vokany 5 taona ! Aty amin’ny 2023 dia mbola hanao letrezana hibodo fahefana sy hampisotro ny rano tsy tiana ny Malagasy dia mbola tsy maintsy arahina amin’ny sitrapony ? Misy farany ny zava-drehetra koa samia hatrany ho ela velona hiaina ny tantara !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT