Edito

Kihon-dalana


  • Talata 10 Aprily 2012

Hita ho mbola resaky ny moana sy ny marenina ihany ny fanaovana politika eto amintsika.

 Tsy mety hita ny marimaritra iraisana tena eken'ny maro an'isa sy mampilamina ary mametraka ilay fitoniana. Tsy manaiky ny firafitr'ilay volavolan-dalàna tonga eny amin'ny Kongresin'ny tetezamita ny ankolafy Ravalomanana, ary tsy mety handinika sy handany izany. Tsy matoky ny fomba fiasa natao tamin'izy iny ry zareo ary tena nilaza mihitsy fa tsy iny volavolan-dalàna tonga eny Tsimbazaza iny no tena izy. Etsy ankilan'izay anefa dia manizingizina ireo mpanao politika manohana an'i Andry Rajoelina fa dia tsy maintsy irosoana ny fandinihana sy fanitsiana azy avy eo. Fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka satria efa ela no niandrasana azy. Tsy olana amin'izy ireo moa ny fanatanterahana izany satria maro an'isa eny amin'ny Parlemanta roa tonta izy ireo, ka raha vao raikitra ny tsangan-tanana dia azo antoka fa hahazo ny maro an'isa ry zareo. Ny manitikitika ny saina fotsiny dia ny hoe : azo ekena fa manan-kery sy ampiharina ao anatin'ny tetezamita ve ilay lalàna momba ny famotsoran-keloka ho lany eo, raha toa ka tsy nandray anjara tamin'ny fandinihana azy sy ny fandaniana azy ny ankolafy hafa, izay nanasonia ny tondrozotra ?

Mety ho avy eto indray ve izany, ny iraka manokan'ny Troikan'ny SADC hanelanelana sy handamina, sa izay vita dia vita fa tsy an-kiandry marary izany ? Kihon-dalana iray goavana no hatrehan'ny CT sy ny CST amin'ity herinandro ity satria ho avy amin'izay ny tsangan-tanana. Hilefitra ve ny ankolafy Ravalomanana ka hanaiky handinika sy handany ilay volavolan-dalàna ihany, sa hanenjana ka hiala tanteraka amin'ny fiaraha-mitantana araka ny efa nambaran'izy ireo ? Ho hita eo izay tena mahasaky.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT