Edito

Kiafinafina


  • Alarobia 02 Jona 2010


Tonga ary efa voaray ny vola avy amin’ny orinasa sinoa hitrandraka ny vy ao Soalala, hoy ny FAT. Tsy fanao fa tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny solontenam-bahoaka dia ny Antenimiera ny fifanarahana goavana toy izany raha tsy izay dia mpivarotra tanindrazana, hoy indray ny ankolafy telo, manohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fandrombaham-pahefana amin-kery ary mitaky ny tetezamita iaraha-mitanta. Dia fanina ny Malagasy. Fa inona ary ity ? Betsaka tokoa mantsy izay sora-bola nambara teto izay, fa toa very voaka no betsaka. Iray tapitrisa dolara avy amin’ny Printsy Saodinina. Tonga sa tsy tonga io vola io ? Samy nanampin-tsofina nanao be marenina tamin’izany avokoa ireo nanambara izany. Fanontaniana sivy no napetraky ny firaisamonim-pirenena taorian’izany mikasika ny loharanom-bola ahafahan’izao FAT izao mampandeha ny raharaham-pirenena, andoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, fa dia mijanona ho tsiambaratelo mandraka ankehitriny izany. Ny amin’ireo andramena na bolabola na koa “bois de rose”, ohatrinona marina no vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana miohatra amin’ny hazo sarobidy niala teto Madagasikara, izay an-tsokosoko no betsaka ?

Nisy ilay sambo tiorka «Gulser Ana», nitondra fôsfata, izay akora simika, ka rendrika tany amin’ny fari-dranomasina atsimon’ny Nosy ny 26 aogositra 2009 ary nandravarava haren-dranomasina maro. Ohatrinona marina ny vola onitra azon’ny Fanjakana Malagasy, ary ohatrinona tamin’izay no nomena ireo mpanjono Malagasy lasibatra tamin’izany satria dia tsy re be tsy re kely intsony ny momba azy iny ? Dia misosoka indray ity vy any Soalala ity. Oviana no natao ny rangopohin’ny fifanarahana momba izany ? Tsy vao izao mantsy ity FAT ity no nifampiraharaha fa nisy ny 19 martsa 2009 momba ny Total any Bemolanga, ka liana ny maro amin’ny anaran’ny mangarahara tokony hasehon’ny FAT sy izany orinasa sinoa Wisco izany ho fanta-bahoaka ny fisian’izany fa tsy atao kiafinafina hampazava ny resaka ka ho loharanon’ny fisavoritahana vaovao eto indray. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT