Edito

Ketrika ratsy


  • Talata 05 Aogositra 2014

Raha nilamina ny fitokonan’ny mpianatra teto Antananarivo, dia indro fa misavorovoro indray ny ao Mahajanga sy Toamasina

Niha nahery vaika ilay fitakiana ka mahatonga hieritreritra hoe sao lahy ka mba efa resaka politika izy ity fa tsy misy idirany amin’ny vatsim-pianarana na ny rafi-pampianarana intsony ? Tsy azo odian-tsy hita mantsy fa hatramin’ny 1972 dia nataon’ny mpanao politika ho fitaovana foana ny fihetsiketsehan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, ary zary efa mahazatra isan-taona ny mandre fa mitokona ny mpianatra eny Ankatso na ao Barikadimy na ny any Ambondrona. Amin’izao vanim-potoana iainan’ny firenena izao kosa anefa dia betsaka kokoa ny erijika idiran’ny politika ao anatin’ilay hetsiky ny mpianatra. Mety resaka kajikajy sy ady seza amin’ny fifidianana ben’ny tanàna no ao ambadik’io ; mety efa misy ny mitily ny toeran’ny senatera. Ao koa ireo te hiseho fa mahay mampihavana ka mamorona korontana halamina mihitsy aloha. Tsy maintsy misy koa ny andian’olona tsy manana tanjona afa-tsy ny hanakorontana ny fitondram-panjakana ary mety manana tanjona ny handrodana mihitsy aza dia manararaotra izao karazana fihetsiketsehana rehetra misy izao. Saropady noho izany ny fandaminana ity raharaha ao Mahajanga ity, ary mila mitandrina ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana mba tsy handrehetana ny fahasosorana mifangaro hatezeram-bahoaka. Voaporofo amin’izao zava-miseho izao indray fa tsy mbola milamina ny eto Madagasikara fa misy ny afo mololo ahiana hidedaka ho lasa afo be handrehitra ny ady an-trano eto. Efa hatramin’ny 2009 no nisy niketrika an’io, ary dia izao mbola mitohy izao ilay izy. Aoka anefa samy  handinika tsara ny malagasy fa tsy hanao tendrim-po tsy mba namana ka hanaotao foana. Efa misy miandry fotsiny izay hikorontanana dia hangorona ny harena be misy eto, any ambanin’ny  tany sy any anaty ranomasina any. Izay ilay politikan’ny zarazarao hanjakana, ampiadio mba hangoronan-karena e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT