Raha mafotaka ny adihevitra manodidina ireo fehin-kevitra nivoitra nandritra ny fihaonambem-pirenena nasain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny vondron’olom-pirenena FINOANA, ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra lasa teo, dia misoko mangina indray koa izao ny fifanatonan’ny mpanao politika. Fifanatonana hafa no ny fahita hatramin’izay izy ity. Araka ny fantatra mantsy dia tsy ireo mpanao politika mpanohana ny FAT ihany fa misy avy amin’ny Ankolafy Telo sy ny miaramila ihany koa mandray anjara ao. Vitsivitsy no mihaona. Natao angamba izany mba tsy dia hisarika ny maso loatra. Tamin’ity herinandro ity dia eny Amboanjobe eny no mifanatona izy ireo. Mety tsy vao voalohany ny fihaonan’izy ireo fa raha ny tratry ny masolavitry ny Tia Tanindrazana ny fiandohan’ny herinandro teo dia nisy ministra teo aloha tao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, sady mpikambana ao amin’ny ESCOPOL na ny sehatra ifanakalozan’ny antoko politika tazana tao.
Misy lehibena delegasiona iray ao amin’ny Ankolafy Telo ihany koa nandray anjara. Manampy azy ireo ny mpikambana iray, sady lehibena vaomiera eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Ankoatra ireo ny miaramila vitsivitsy manana andraikitra amin’ny fiarovana ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny andraikitra tanan’ireto farany tamin’io fihaonana io. Tsy nisy nipika rahateo ny dinika, noho izy dinika mangingina mba tsy hilazana fa miafina. Ny zavatra marihina fotsiny dia nitranga izany taorian’iny fihaonambem-pirenen’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tontosa teny Ivato iny. Ny zavatra tsikaritra mantsy dia tsy nandray anjara mivantana tamin’izy iny ny ankamaroan’ireto olona mivorivory teny Amboanjobe ireto. Koa tombantombana sisa no azo lazaina hoe : misy tsirin-kevitra hafa hamahana krizy ve hiainga ao anatin’izao fihaonana izao sa ketrika zavatra hafa mihitsy ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.